Fiarabe mpitatitra olona avy ao Fianarantsoa no tra-doza, afakomaly. 10 namoy ny ainy, 42 naratra. Antony: voalaza fa tapaka rotule ny fiara, nitelefaonina ny mpamily, nanao taingim-be.
Nivadika ny fiarabe taksiborosy mampitohy an’i Fianarantsoa sy ny kaominina Ambanivohitra Soatanana, distrikan’Isandra, afakomaly atoandro. Olona folo no namoy ny ainy: dimy maty tsy tra-drano teny amin’ ny fokontany Fivoarantsoa, kaominina Ambarinarivo Manirisoa, nisehoan’ny loza, iray maty teny an-dalana namonjy hopitaly, ary efatra nialana nenina teny amin’ny hopitaly Tambohobe. Nisy zazakely vao roa taona ny maty, torak’izany ny kolonely misotro ronono avy naka vola.
“42 kosa ny naratra noraisinay teto amin’ny hopitaly. Nisy ny namoy ny ainy, araka ny antontanisa nomena anareo. Nisy ny vonjy aina ka nisy ny nivoaka hopitaly ny sabotsy ihany. Misy kosa ny mbola manaraka fitsaboana sy arahi-maso akaiky”, hoy kosa ny tatitra avy amin’ny talen’ny hopitaly, Rabeharisoa Andy Rakoto. “Noraisin’ny fitondram-panjakana an-tanana ny saram-pitsaboana”, hoy izy. Nisy ny notazomina ao amin’ ny hopitaly Tambohobe, ny 20 nalefa teny amin’ny hopitaly manara-penitra, eny Andrainjato.
Nieren-doza
Nisy olona efatra, izay nipetraka tamin’ny seza aloha, niaraka tamin’ny mpamily no nieren-doza. Voalaza fa afaka nitsambikina ny fiara izy ireo vao nanomboka nivadika ny fiara.
Antony efatra no voalaza fa niteraka ity lozam-pifamoivoizana mahatsiravina ity. Tapaka “rotule” tao anaty fiolanana ilay fiara ka tsy voafehy intsony ny familiana, araka ny tatitra vonjimaika nataon’ny mpamily tamin’ny zandary. Nanamafy izay rahateo ny ben’ny Tanànan’Ambarinarivo Manirisoa, Odon Flavien: “Nisy mpilalao baolina kitra miisa 14 mirahalahy tanaty fiara. Nitantara ry zalahy fa tapaka “rotule” ilay fiara ka tsy
voafehy”.
Milaza kosa anefa ny mpandeha nieren-doza nanaovana fanadihadiana taty ifotony fa variana nitelefaonina tsy tapaka ingahy mpamily. “Avy niresaka elabe tamin’olona izy no hiditra ilay fiolanana izahay. Naneno indray ny findainy dia noraisiny. Teo no nitranga ny loza, tsy voafehiny ny familiana. Vao nahita ny olona nihoraka aho dia niondrika. Tsy nisy tadidiko intsony”, hoy ny tovolahy iray nangataka mba tsy ho tononina anarana, manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitalin’i Tambohobe.
Etsy ankilan’izay, samy nitaraina amin’ny haratsian-dalana sy ny taingimbe ny mpandeha rehetra nanontaniana. Raha ny fanamarinana natao dia olona 32 no voasoratra tao anatin’ny taratasy fandraisana ny anaran’ny mpandeha na ny “manifold” saingy nihoatra lavitra izany. “Enina isaky ny laharan-tseza izahay. Mbola nisy ny nitsangana. Manginy fotsiny ny entana”, hoy R. Eliah. Nanamafy izay fisian’ny olona mihoatra izay ny tomponandraikitra eo anivon’ny distrikan’Isandra, anisan’ny tonga voalohany teny amin’ny hopitaly, nitatitra sy nanara-maso ny maratra.
Naniraka solontena ny filohan’ny Repoblika
Manoloana ny voina, nihazakazaka nandefa solontena teny amin’ny hopitaliben’i Fianarantsoa ny filoham-pirenena Rajoelina Andry. Nitarika ny delegasiona ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine. Nisy fanolorana vonjiranovaky ho an’ny fianakaviana izay namoy ny ainy sy ny fanohanana ho an’ny manana ny naratra. Mangataka ny hanokafana fanadihadiana lalina sy tsy mitanila ny fitondram-panjakana; manoloana ny fahafatesan’ireo tsy manantsiny tahaka izao. “Mampalahelo loatra ny zava-miseho. Indrindra ho an’ny havan’ireo olona namoy ny ainy izay nanantena ny mbola ho nifankahita. Raha niala teto Fianarantsoa izy ireo dia nihevitra ny hifanotrona amin’ny havana, ny zanaka, ray aman-dreny… Atao akory anefa fa izay no lahatr’Andriamanitra. Ny hany azontsika atao dia ny mifankatia sy ny mifanohana amin’ny voina toy izao”, hoy ny filohan’ny Antenimierampirenena.
Manome toky amin’ny famotorana lalina sy tsy mitanila ny zandarimariam-pirenena. “Antony efatra mifaningotra no mety nahatonga ny loza, araka izany. Miandry ny fanadihadiana isika vao afaka milaza ny tena antony marina. Mbola manaraka fitsaboana ny mpamily ka tsy maintsy hatao andrimaso eny amin’ny trano famonjan’ny zandarimaria izy rehefa sitrana soa aman-tsara”, araka ny fanazavana voaangona.
Nanatontosa : Rina