Angovo azo avy amin’ny masoandro : hamokatra herinaratra 6 000Mwh isan-taona

Hitondra tombontsoa betsaka ho an’ny Malagasy ilay tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro napetraka ao Toliara. Miavaka sady matanjaka izy ary handrakotra herinaratra amina kaominina maro any an-toerana.

Mitohy hatrany ny fampiroboroboana ny fampiasana ny angovo azo avaozina eto Mada­gasi­kara. Notokanana ny sa­botsy teo ny tobim-pamokarana he­rinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro, “centrale solaire” (CS) ao amin’ny kaominina Betsin­jaka Andrano­me­na, distrika Toliary II. Ma­na­na tanjaka 2 9MWC ity tobim-pamokarana goavana ity ary hamokatra herinaratra mahatratra 6 000MWh isan-taona. Mana­na “onduleurs” 88 isa izy ka tokantrano 6 324 no misitraka ny herinaratra voalohany. Fantatra fa manodidina ny 19 000 kosa ny hanjifa izany eo anivon’ny kaomininin’i To­liara. Manana velarana ha­tramin’ny 60 000 m2 ny toerana misy ity tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro ity. Tombony ho an’ny tontolo iainana ny fananana azy noho izy hanala ny entona ratsy (CO2) milanja 0,778 t isaky ny MWh. Mbola hamatsy 50% ny tambazotran’ny orinasa Jirama ihany koa io tobim-pamokarana he­rinaratra avy amin’ny ma­soandro io.
Tombony

Faharoa amin’ny habeny aty Afrika ity fotodrafitasa ity. Mitsitsy hatramin’ny 7 miliara 700 tapitrisa Ar isan-taona amin’ny fividianana solika mavesatra HFO izy. Miavaka izy, azo ahorona sy ampirimina ireo “panneaux solaires” amin’ny fotoan’ny rivodoza. Taratra sy fampiroboroboana ny fiaraha-miasa mahomby eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (3P) ny nahazoana izao vokatra izao. Tafi­ditra ao anatin’izany ny orinasa ENELEC sy ny LIDERA GREEN POWER. Atao izao ho fampandrosoana ny firenena sy ho tombontsoan’ny Malagasy rehetra.

Henintsoa Hani

Partager sur: