Seranam-piaramanidin’i Toliara : afaka mandray sidina iraisam-pirenena

Tratra ny tanjona! Anisan’ireo seranam-piaramanidina afaka mandray sidina iraisam-pirenana i Toliara Ankoronga. Nankatoavin’ny Aviation Civile eto Madagasikara (ACM) sy ny iraisam-pirenena (OACI) ireo dingana rehetra voalazan’ny fenitra mifehy ny fifamoivoizana ana habakabaka. Nahazo ny taratasy manamarina ny maha seranam-piaramanidina iraisam-pirenena i Toliara, ny zoma teo. Natsangan’ny Aéroport de Madagascar (ADEMA) ny “Base de service de sauvetage et de lutte contre l’incendie aéroportuaire » (SSLI) niaraka tamin’ireo fotodrafitrasa maro mifandraika amin’izany. Ma­nana ny vina fohy sy lavitr’ezaka ny mpitantana ny orinasa sy ireo mpiara-miombon’antoka rehetra. Hisokatra amin’ny firenena maro any ivelany. Hitatitra mpandeha sy mpitsidika ary mpandraharaha ao amin’ny faritra ny fahazoana izao vokatra izao. Tsiahivina fa nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny nahafahana nampiditra ny seranam-piaramanidin’i Toliara ao anatin’ny lisitr’ireo seranam-piaramanidina iraisam-pirenena, ny volana avrily lasa teo.

Henintsoa H.

Partager sur: