Anisan’ny lemaka mamokatra vary 6 t/ha ny lemaka Bas Mangoky. Ankehitriny, mamboly indroa isan-taona ny mponina any an-toerana noho izy ity mamoka-bary betsaka. Vokatra azo avy amin’ ny fahavitan’ny fotodrafitrasam-pamokarana na ny “prise” ao Bevoay, lehibe indrindra eto Madagasikara ary tsara indrindra eto Afrika. Nitarin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana tamin’ny alalan’ny tetikasa PEPBM izany ka nahazoana lemaka mirefy 3 282ha miaraka amin’ny lakandrano 23km. Noho izany, hanampy sy hampiroborobo ny famokaram-bary ity fotodrafitrasa ity. Tokantrano hatramin’ny 744 no hahazo tombontsoa avy amin’izao fanitarana lemaka izao. Mbola notoloran’ny filoham-pirenena taratasy fanamarinana zo fisitrahana tany ihany koa ireo mponina, nandritra ny fanokanana tamin’ny fomba ofisialy ny fanitarana ny lemaka Bas Mangoky, ny zoma teo, tao Tanandava, distrikan’i Morombe.
Nitombo
Namokatra vary 150 000t ny faritra Atsimo Andrefana ny taona 2019. Tafakatra 180 000t izany amin’izao, vokatry ny fanitarana natao. Ankehitriny, mahatratra 20 000ha ny fitambaran’ny lemaka voajary any an-toerana ary miisa 25 000 ireo misitraka ny tombontsoa mivantana amin’izany. Niroborobo ny famokaram-bary, tanjona rahateo ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Ho fanohanana ireo mpamokatra, nozaraina masomboly vary milanja 20t sy fitaovam-pamokarana 40 miampy karatany ny tantsaha. Natsangana ihany koa ny Fikambanan’ny mpampiasa rano ho fikojakojana ireo fotodrafitrasa sy fitantanana ny rano.
Henintsoa H.