Manomboka rahampitso ny fametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina ho an’ireo kandidà ho filohan’ny Repoblika. Miisa roa aloha hatramin’izao ny vehivavy nanao fanambarana firotsahana amin’izany. Anisany Ratsiraka Annick Zoary sy i Masy Goulamaly…
Vehivavy kandidà nanambara voalohany ny firotsahan-kofidina ho filoham-pirenena, i Masy Goulamaly. Nianatra momba ny fitantanana “Master en Gestion” sy ny “Management d’entreprise” ary mbola mianatra hatramin’izao.
Efa voafidy ho mpikambana teo anivon’ny antenimieran’ny varotra tany Taolagnaro (2008). Mpikambana teo anivon’ny Kongresin’ny Tetezamita (CT), ny taona 2010. Voafidy ho depioten’i Madagasikara, tamin’ny tsy miankina (2014), tany amin’ny distrikan’i Tsihombe ary mbola voafidy koa ny taona 2019 ka hatramin’izao. Filohan’ny vaomiera miralenta sy ny fampandrosoana eo anivon’ny Antenimierampirenena.
Ankoatra izay, filoha sady mpanorina ny fikambanana Androy miavotse malaky, AMM (2000) ary masoivohon’ny WIP pour Madagascar (2017-2023). Voafidy ho filoha lefitry ny “Commission Gewayd du FP-Sadc”. Mpikambana eo anivon’ny vondrona na fikambanana iraisam-pirenena : OCDE, UIP, Fondation Mo.Ibrahim, Concordia, WPL.
Nambarany fa afaka mandray andraikitra ny hirotsaka ho kandidà filoham-pirenena ny tenany. “Efa lehilahy hatrany no nitondra hatramin’izay ka raha misy ve ny vehivavy malagasy vonona, nahoana moa ?”, hoy izy.
Anisan’ireo miatrika ny fihaonana an-tampony eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena matetika ny tenany. Teo ny nandraisany anjara amin’ ny fivorian’ireo vehivavy mpitarika politika “Women Political- WPL” natao tany Bruxelles, Belzika, ny volana jona teo.
Ny kandidà Ratsiraka Annick Zoary
Anisan’ireo efatra mianadahy, faravavy, zanaky ny amiraly Ratsiraka Didier Ignace ny sekretera nasionalin’ny Arema, Ratsiraka Annick Zoary. Zokiny Ratsiraka Olga sy ny minisitry ny Asa tanana, Ratsiraka Sophie ary zandriny kosa sady lahitokana, Ratsiraka Xavier. Voafidy ho sekretera nasionalin’ny antoko Arema ny marsa 2020, Ratsiraka Annick Zoary. Efa nialohavan’ny fitetezam-paritra nataony izany ary mbola notohizany taty aoriana. Nametraka fanamby ny hamelo-maso indray ity antoko naorin’ny rainy ity izy. “Mba ho anisan’ireo antoko lehibe fony Repoblika II ny tanjaky ny Arema”, hoy izy.
Anisan’ireo nanasonia ilay satan’ny fitondran-tenan’ny mpanao politika, iarahana amin’ny FES ny tenany, ny 21 jolay teo. Maniry sy manantena izy fa mba hitondra fivoarana lehibe eo amin’ny fanaovana politika sy ny fifampitondrana ary ny fifanajana eo amin’ny samy mpisehatra sy mpanao politika ny nanaovan’ireo antoko politika sonia, izany. Teny fanevany : “Arema sy ny vahoaka ary ny tanindrazana”. Nohamafisiny izany tamin’ny fanambarana ny filatsahan-kofidina, ny sabotsy 19 aogositra teo, tetsy Faravohitra. “Fanjakana vaovao sy rafitra ara-toekarena ary fiarahamonina vaovao. Eo koa ny toe-tsaina vaovao”, hoy izy.
Mety ho kandidà Ranaivojaona Sylvia
Anisan’ireo miomana amin’ny fiatrehana ny fifidianana ho filoham-pirenena koa Ranaivojaona Sylvia. Filoha mpanorina ny fikambanana Perfect Madagascar, misehatra amin’ny asa sosialy amin’ny faritra maro manerana ny Nosy ny tenany. Eo koa ny maha mpiasam-panjakana azy.
Efa naka bahana ny volana jona teo ireo fikambanana sy vondron’olona samihafa nanao antso avo ny handraisany anjara amin’ny fifidianana. Anisan’izany ny zanaky ny faritra Atsimo, tarihin’ny filohan’ny Association Jamais Mort, i Masindahy Landry, nampahafantatra ny fitsanganany ny 21 mey teo, tany Toamasina.
Manampy izany ireo fikambanana maromaro avy eto an-drenivohitra sy ireo vondrona tanora nanao fanambarana, ny herinandro teo, niantso an-dRanaivojaona Sylvia mba ho kandidà amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Notsiahivin’ny sasany amin’izy ireo tamin’izany fa anisan’ny nampilamina ny fanjakana, fony fahampanjaka ny fitantanan’ ny vehivavy ka ilaina ny famerenana izany.
Nanatontosa: Synèse R.