Tahirim-bola saodianina: 69 tapitrisa dolara ho an’ny tetikasa enina

Na tsy re loatra aza, anisan’ny manana ny toerany amin’ny fampandrosoana eto amintsika, ny Tahirim-bola saodianina (SFD). Hitondra fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy any amin’ny tapany atsimo andrefan’i Madagasikara ny fahavitan’ny tetezana any Mangoky.

Anisan’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena manana ny lanjany eto Madagasikara ny Tahirim-bola saodianina ho an’ny fampandrosoana (SFD). Anisan’izany ny fanamboarana ny tetezana lava indrindra eto Madagasikara, any amin’ny reniranon’i Mangoky, mirefy 878 metatra. Napetraka ny zoma 20 aogositra teo ny vatofototra, fanombohana ny asa. Mandritra ny 31 volana ny fanatanterahana azy, ampiasana vola maherin’ny 147 miliara Ar. Nambaran’ny talen’ny asan’ny SFD aty Afrika, Mohammed Alshammari, fa ao anatin’ny paikady fampandrosoana maharitra eto an-tany ny anton’izao tohana ataony ho an’i Madagasikara izao. Mampifandray ny faritra Atsimo Andrefana sy Menabe ny fisian’ity tetezana ity.
Hampiroborobo ny fitomboana ara-tsosialy sy ara-toekarena, sady manome vahana ny sehatra manan-danja toy ny fizahantany, ohatra. Manapo­ro­fo ny firaha-miasan’i Mada­gasikara sy Arabia Saodita. Efa maharitra 47 taona ny fisian’ny Tahirim-bola saodianina teto amintsika. Miisa enina ny tetikasa novatsiany vola, mitentina 69 tapitrisa dolara. Voakasik’izany ny sehatry ny angovo, ny fitaterana, ny fananganana fotodrafitrasa, ny indostria, sns. Anisan’ny tetikasa vaovao tohanany ity fanamboarana ny tetezana any amin’ny reniranon’i Mangoky ity.

Velaran-tany 20 000 ha
Fotodrafitrasa goavana hitondra fampandrosoana ho an’ny any ifotony, ny faritra ary indrindra ny firenena manontolo.
Ao anatin’ny lalam-pirenena fahasivy ity tetezan’i Mangoky ity. Manamorona iny lalana iny koa anefa ny lemak’i Bevoay, manana velaran-tany 20 000 ha efa voajary. Tafakatra 180 000t ny voka-bary tamin’ity taom-pambolena 2022-2023 ity. Misy koa ny tetikasan’ny fanjakana malagasy hanajarian’ny mpandraharaha avy any Emirats Arabo Mitambatra (EAU) lemaka 60 000 ha any an-toerana, saingy tsy mbola tanteraka hatramin’izao.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: