Mitohy ny fanamboarana ny fotodrafitrasa sy fanatsarana ny fitaterana eto amintsika. Goavana sy anisan’ny moderina indrindra eto Madagasikara ny fanaovana ny fitaterana an-tariby. Ampiasana fampitaovana lehibe ireo gara sy pylônes izay hametrahana ny fotodrafitrasa. Araka izany, tafapetraka ao Tsaralalana ny pylône monofut, P 05 avo indrindra maneran-tany. Mirefy 49m izany ary iray amin’ireo pylônes 51 isa mampitohy ny zotra Orange, manelanelana an’Anosy sy Ambatobe. Matihanina tanteraka ny fanatanterahana ny asa ary manaraka ny fenitra 17 isa amin’ny fiarovana mandritra ny asa, hoy ny fanazavan’ny ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, Andriamanohisoa Gérard, omaly. Notohizany fa nampiasana ny teknolojia tamin’ny andiany nivoaka farany ity fotodrafitrasa ity.
Hivaha ny olona
Niverina amin’ny laoniny nanomboka omaly ny fifamoivoizana, hivaha tsikelikely ihany koa ny lalana mampitohy an’Antanimena sy Ankorondrano mialohan’ny lalaon’ny Nosy. Tsiahivina fa hamaha ny olan’ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra sy hifameno amin’ny fampiasana ny fitaterana an-dalamby (train urbain) ny fitaterana an-tariby.