Nanatanteraka fivoriana vonjimaika ireo tomponandraikitra sy mpiara-miombon’antoka misahana ny fifamoivoizana eto Madagasikara, omaly. Voalaza nandritra izany ny fepetra tokony ho raisina sy handrindrana ny asa rehetra hisorohana ny loza eny amin’ny lalam-pirenena samihafa. Hanamafy ny fidinana eny amin’ny lalam-pirenena sy eny amin’ny toeram-piantsonan’ny taksiborosy ireo tomponandraikitra voakasik’izany. “Hotsirihana avokoa ny fiara ary hamafisina ny fampanarahan-dalàna”, hoy ny fanazavana voaray. Hisy, manaraka izany, ny fepetra fohy ezaka sy lavitr’ezaka hampiharina amin’ny fitaterana. Fantatra fa anisan’ny mahatonga ny lozam-pifamoivoizana ny fitondrantenan’ny mpamily sy ny tsy fanjana ny lalàn’ny fifamoivoizana. Nampahatsiahivina tamin’izay fa efa misy ny naoty navaokan’ny minisiteran’ny Fitaterana milaza fa tsy maintsy mpamily roa ny fandehanana amin’ny lalana mihoatra ny 600km.
Fiara
Voalaza fa anisan’ny miteraka ny lozam-pifamoivoizana ny olana ara-teknikan’ny fiara. Voarara ny fanaovana dona miverina, tokony hisy fialan-tsasatra 15 minitra isaky ny efatra ora raha toa ka mihoatra ny 8 ora ny dia. Ankilany, Tsy maintsy tomombana ny fiara rehetra vao afaka mandeha. Tompon’andraikitra tanteraka amin’ny fitaterana ireo mpandeha ny mpamily. Fantatra nandritra izay fa manodidina ny 270 ireo namoy ny ainy tao anatin’ny telo taona farany, vokatry ny lozam-pifamoivoizana.
Nanatontosa : Henintsoa Hani