Hampiakatra ny tahan’ny famokarana sy hanatsara ny fambolena manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro ny fampiasana ny teknolojia. Mamolavola paikady hampiharana izany amin’ny taona 2024 ireo tomponandraikitra samihafa.
Sehatra tsy azo ihodivirana ny fampiasana ny nomerika amin’ny fiainana marolafy. Tafiditra amin’izany ny tontolon’ny fambolena sy ny famokarana. Misy, araka izany, ny fanolorana ny paikady nasionaly momban’ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra eo amin’ny sehatry ny fambolena, natao tao amin’ny Carlton Anosy, omaly. Natao izany hampiroborobo ny vokatra manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro. Tombony ho an’ny tantsaha ny fidirana ao anatin’ny haitao nomerika. «Manampy ireo mpisehatra rehetra ao anatin’ny tontolon’ny famokarana izy. Ahazoana antontanisa sy antotam-baovao rehetra no mbola ahafahana mizara ireo torohevitra ara-teknika sy amin’ny famatsiam-bola eo amin’ny tsena ny haitao ara-kajy mirindra”, hoy ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, Raharinomena Fanja. Azo trandrahana amin’ny alalan’ny teknolojia izany rehetra izany ka hanatsara ny vokatra.
Paikady
Mila fantarina ny tolotra sy ny filàna eny ambanivohitra hamantarana ny fitaovana ampiasaina enti-mampita hafatra. Betsaka ny azo trandrahana, izay ny maha-zava-dehibe ny hamantarana ireo fitaovana maro samihafa, hoy hatrany ny fanazavana voaray. Manampy an’i Madagasikara amin’ny famolavolana ity paikady nasionaly ity ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny sakafo sy ny fambolena (FAO). Notsindrin’izy ireo fa maro ny firenena efa nahazo tombony tamin’ny fampiharana ity paikady ity eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono.
Henintsoa Hani