Tsy fanjarian-tsakafo any atsimo: 2 tapitrisa dolara avy amin’ny Rio Tinto

Ankoatra ny maha orinasa mitondra fampandrosoana ara-toekarena ny QMM any Taolagnaro, manana paikady manokana izy amin’ny lafiny sosialy hitsinjovana ny mponina. Nanome vola mitentina 2 tapitrisa dolara ny orinasa iraisam-pirenena, miahy ny QMM Taolagnaro. Fanampiana entina hiatrehana amin’ny krizy ara-tsakafo, indrindra ny any amin’ny tapany atsimon’i Madagasikara io vola io. Hitantana azy ny Unicef sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy.
Natao ny 18 aogositra teo ny sonian’ity fifanarahana ity. Nilaza ny tale jeneralin’ny Qit Madagasikara Minerals (QMM), David-Alexandre Tremblay, fa «maniry izahay ny hanome fanampiana tena ilaina ho an’ireo mponina any amin’ireo faritra voakasika eto Madagasikara, ka hanohana ny asa goavana iantsorohan’ny Unicef sy ny mpiara-miombon’antoka aminy».
Anisan’ny voakasika ity tantsoroka ity ny fanofanana mpiasa manokana hanohana ara-tsaina sy ara-tsosialy ny ankizy tratry ny tsy fanjarian-tsakafo. Araka ny antontanisan’ny Unicef, manodidina ny 500 000 ny zaza latsaky ny 5 taona, ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimon’i Madagasikara.

Njaka A.

Partager sur: