Ambohidratrimo Marovatana : vohitra nanana ny naha izy azy, anatin’ny tantara.

Vohitra nipoiran-dRadama voalohany Ambohi­dra­trimo, ankoatry ny maha anisan’ ny ao anatin’ny vohitra roa am­bin’ny folo azy. Efa tao anatin’ny Imerina efa-toko ihany koa izy talohan’izany.

Vohitra iray tao anatin’ny Imerina efa-toko, ny vohitr’Ambohidratrimo Marovatana. Ny Mpanjaka Ratrimo sy Ramorabe ary Rambolamasoandro no nifandimby nanjaka teny, tamin’ny taonjato faha-16 sy faha-17. Amin’ny maha vohitra nanjakan-dRatrimo azy no nanomezana azy ny anarana hoe Ambohidratrimo. Andrianam­poini­merina kosa no nanome ny anaran’ny tanàna ho Maro­vatana taty aorina. Ratrimo izay nanjaka voalohany teny amin’iny vohitra iny. Zafikelin’ Andriamasinavalona, zanak’ An­drian­tompoinimerina voalohany Ratrimo.
Rehefa nanao ny Imerina efa-toko Andriamasinavalona. Napetrany tamin’ireo vohitra efatra, Ambohimanga, Ambo­hidrabiby, Manjakamiadana ary Ambohidratrimo, mamaritra ny Imerina efa-toko ny zanany efatra. Ny vohitr’Am­bohidratrimo no anjaran’An­driantompoinimerina Voaloha­ny, tamin’izany. Nangataka ny fahefana rehetra tamin’An­dria­masinavalona Andrian­tom­poinimerina Voalohany, nefa tsy nahazo. Nataony an-keriny izany taty aorina ka notazoniny fito taona teny amin’ny vohitra misy azy ny Rainy. Gaga ireo rahalahiny telo, nitoetra teny Ambohi­drabiby sy Ambohimanga ary Manjakamiadana, noho ny tsy fahitàna ny Rainy. Nanomana tetika ny hamoaka azy izy ireo rehefa fantany fa voatazona teny Ambohidratrimo Andria­masinavalona rainy. Ratrimo, izay zanak’Andriantompoini­merina Voalohany no namoaka an’Andriamasinavalona antsokosoko tao Ambohidra­trimo ka nahafaka azy teo ambany gadran’Andrian­tom­poi­nimerina Voalohany. Vokatr’ izany, tsy azon’Andriantom­poi­nimerina Voalohany ny fahefana, fa Ratrimo zanany no nomena hanjaka tamin’ny vohitra.
Nandimby an-dRatrimo, tany amin’ny taon-jato faha-17 tany ho any indray Ramorabe. Ny fanjakan-dRamorabe izay nahavita nanohitra tanteraka ny fanafihana nataon’Andria­nampoinimerina. Taty aoriana, nangataka tsodrano ny haka vady an-dRambola­maso­andro, izay zafikelin-dRamorabe, zanaky Ramana­na Andrianjaka. Andrianam­poi­nimerina. Izy no vadin’An­drianampoinimerina faharoa ambin’ny folo, sady renin-dRadama voalohany.

Voasokajy ho anisan’ny toerana manan-tantara, araka izany, ny vohitr’Ambohidra­trimo. Ankehitriny, mbola tazana eny Ambonivohitra Ambo­hidratrimo Marovatana ny Rova nisy ny mpanjaka nanjaka teny. Hita mandrafitra azy ao ny fasana misy ny mpanjaka niamboho, ny vato fikabariany, ny fasan’ny miaramilany, ny fatana fandrahoana ny sakafony, ny vato fitsarana fampinanana tangena, ny vala fiompiana. Mbola tazana eny ihany koa ny fototry ny lapa nonenan’ny mpanjaka tamin’ izany. Ny lapa izay may ny taona 2015. Mampiavaka ny vohitra ny fisian’ny vato misy nono, fangatahan-tsodrano ho an’ny olona tsy miteraka sy ny vato fitsapana vintana ary ny dian-tongotry Rapeto.

All-focus

Maro ny liana fa vitsy ny mampahafantatra

Mahaliana ny Malagasy, indrindra ny tanora, ny tantaran’ ny fireneny. Vitsy anefa ny mampahafantatra sy ny fomba hafantarana izany. Araka ny nambaran-dRandrianarisoa Théodore, mpiandraikitra ny rovan’Ambohidratrimo. Antony nahatonga izany ny tsy nitaizana sy ny tsy nampahafantaran’ ny ray aman-dreniny azy. Manaraka izany, ny fanatontoloana sy ny teknolojia ary ny fivavahana. Nambaran’ity tomponandraikitra ity fa nolotoina ary natao raiki-tapisaka ao an-tsain’ny olona fa rehefa mamonjy ireny toerana ireny dia manompo sampy. Vokatr’izany matahotra ny olona hanantona, na dia hamantatra ny tantarany fotsiny aza.

Zava-dehibe ary anisan’ny mampiavaka ny firenena iray ny tantarany. Samy tomponandraikitra ny rehetra ao anatin’ ny fanomezana sy famerenana hasina ny maha Malagasy, indrindra amin’ny fampahafantarana ny tantara sy ny fomba. «Manana andraikitra voalohany ny mpitondra fanjakana
amin’ny maha raiamandreny eto amin’ny firenena azy ireo», hoy Randrianarisoa Théodore. Omena lanja ny fomba mala­gasy ary tokony hisy fankalazana ireny andro manan-danja eo amin’ny maha Malagasy ireny. Manaraka izany, atao ezaka sy vina ny hanaparitahana amin’ny fomba rehetra ny tantara. Ary farany, tokony hiezaka sy hanana finiavana ny Malagasy hamantatra ny tantaran’ny firenena.

Nanatontosa : Lin M.

Partager sur: