Faritra arovana: fifaninanana ho an’ny mpanao gazety

Nampahafantarina, omaly, tamin’ny fomba ofisialy, ny fifaninanana ho an’ny mpanao gazety, hanao fanadihadiana mikasika ny Faritra arovana (AP) eto Madagasikara. Miaraka mikarakara azy ny Tahirim-bola ho an’ny faritra arovana sy ny karazan-javamananaina eto Madagasikara (FAPBM), ny tetikasa Varuna ary ny Fikambanan’ny mpanao gazety mikirakira ny tontolo iainana (AJE). Tsikaritra hoy i Roda Roperman, tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny FAPBM, fa ny endrika ratsy, toy ny fanimbana sy ny fandripahana ny harena voajanahary foana no fahita anaty fampahalalam-baovao. Koa, natao ity tetikasa fifaninanana ity, hanasongadinana ny zavatra tsara amin’ny fiarovana ny Faritra arovana.
Mizara telo ny fandraisana anjara. Ho an’ny gazety an-tsoratra, ny radio ary ny televiziona. Azo atao ny manao ny fanadihadiana amin’ny teny malagasy na frantsay. Enina ny loka hozaraina, roa isak’ireo sokajy telo voalaza ireo. Mifarana amin’ny 17 septambra 2023 ny fandrotsahana antontan-taratasy hofidina. Manomboka amin’ny volana oktobra ny fidinana ifotony hanaovana ny fanadihadiana.

Njaka A.

Partager sur: