Orinasa Rio Tinto: nohavaozina ny fifanarahana amin’ny fanjakana

Hita ny marimaritra iraisana eo amin’ny Rio Tinto sy ny governemanta malagasy mi­kasika ny lafiny hetra ho an’ny orinasa Qit Madagascar Minerals (QMM). Natao sonia, ny 22 aogositra teo, ny fifanarahana fiaraha-miasa hitrandrahana maharitra ataon’ny QMM any Taolagnaro.
Anisan’ny tanjona ao anatin’ny fifanarahana ny hisi­trahan’ny vahoaka malagasy bebe kokoa ny tombontsoa entin’ity tetikasa ity. Nam­piakarina ho 2,5% raha 2% izany teo aloha, ny anjara tombombarotra arotsaky ny QMM amin’ny fanjakana ho an’ny taona 2023. Mahatratra 12 tapitrisa dolara ny fandraisana anjaran’ny governemanta malagasy, hanarenana lalana mirefy 109 km, amin’ny lalam-pirenena RN 13. Hano­me 8 tapitrisa dolara ny QMM amin’io.
15% ny renivolan’ny fanjakana
Neken’ny Rio Tinto ny hanafoanana ny 77 tapitrisa dolara, anjara renivola tokony ho narotsaky ny fanjakana tao amin’ny QMM. Mahatratra 15% ny anjara renivolany ary 20% ny anjara vatony amin’ny fanapahan-kevitra. Hampi­tomboin’ny QMM koa ny fanohanana ny mponina eny ifotony, ka hatao avo roa heny ny famatsiam-bola hampiasaina amin’ny tetikasa isan-taona.
Nilaza i Sophie Bergeron, tale jeneralin’ny Rio Tinto sy ny Titane, fa manome toky ny maha tomponandraikitra azy amin’ny fitrandrahana ataony ny Rio Tinto. Dingana lehibe ity fifanarahana vita ity, hahazoan’ny andaniny sy ny ankilany tombombarotra, indrindra ny mponina eny ifotony.

Njaka A.

Partager sur: