Airtel sy ny polisim-pirenena : nanolotra fitaovam-pifandraisan-davitra ho an’ny zaza kamboty

Manome lanja ny fanabeazana ny ankizy ny Airtel. Nanolotra fitaovana sy kojakoja samihafa mikasika ny fifandraisan-davitra, ho an’ny toby fitaizana zaza kamboty an’ny polisim-pirenena any Ambatolampy, ity orinasa ity, ny 21 aogositra teo. Anisan’izany ny fitaovana « routeur » iray misy fahana mandritra ny herintaona, miampy ordinatera iray. Azo ampiasaina hiatrehana ny fidiran’ny mpianatra ireo. Miisa 70 ny zaza kamboty, 4 hatramin’ny 18 taona, tezaina any Ambatolampy.
Nanome fahana ny mpitandro filaminana ihany koa ny Airtel, hanamafisana ny fanatanterahana ny asany amin’izao lalaon’ny Nosy (JJOI) atao eto amintsika izao. Nankasitraka izany tanteraka ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny contrôleur général, Randrianarison Fano­me­zantsoa. « Mahatsiaro misy mpitia ny ankizy kamboty, ary fantany fa tsy irery izy ireo, manoloana izao fanampian’ny Airtel izao. Tsapan’ny polisim-pirenena ny tantsoroky ny Airtel, hanatsarana ny fiarovana ny olona sy ny fananany », hoy izy. Efa herintaona izao ny fiaraha-miasan’ny roa tonta.

Njaka A.

Partager sur: