Andiany faha-9, Imatep: taranja hianaran’ny mpamory vola ny ady amin’ny kolikoly

Anisan’ny mampiavaka ny andiany fahasivy ho mpamory vola zokiny nivoaka teny amin’ny Imatep, ny nisantarana ny taranja hiadiana amin’ny kolikoly. Ambony be koa ny haavon’ny fari-pahalalan’izy ireo.

Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly 25 aogositra, ireo 26 miana­dahy, mpamory vola zokiny, andiany faha-9. Niofana nandritra ny herintaona tao amin’ ny Ivontoerana malagasy momba ny teti-pivoarana (Ima­tep) izy ireo. Miisa 23 ny ta­ranja noratovina, toy ny fitantanan-draharaham-panja­kana, ny tsenambarom-panjakana, ny matematika, sns. Notsipihin’ny tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana (DGT), Ranjalahy Ihanja, fa « ity andiany faha-9 ity no voalohany nisantatra ny fianarana ny taranja ady amin’ny koli­koly. Tanteraka izany vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Imatep, ny Bianco ary ny Tahirimbolam-panjakana », natao sonia ny desambra 2022. Mifanaraka amin’ny teny filamatry ny Tahirimbolam-panjakana rahateo izany, ao anatin’ny faha-60 taona ni­siany, manao hoe « Tahirim­bolam-panjakana mivoatra, miasa mahitsy ao anatin’ny mangarahara, lavitry ny kolikoly ».

Andiany sangany indrindra

Mendrika ity andiany ity satria miisa 26 mianadahy no nahomby tamin’ny fifaninanana nidirana tamin’ny mpiadina 3 600. Nomarihin’ny DGT fa tena miavaka ity andiany ity, satria izy ireo no anisan’ny sangany indrindra, nivoaka teo amin’ny Imatep. Hanama­rinana izany, nahazo ny naoty tena tsara « très bien » 17/20 ny matoa (major), Rtoa Rojo­harivezo Onjanantenaina. Na­hazo ny « bien » ny 17 tamin’ izy ireo, ary « assez bien » ny 7. Nilaza ny tale jeneralin’ny Imatep, Ramarokoto Fenosoa Emile, fa mendrika ny mari-pahaizany isalorany ity an­diany faha-9 ity, sady men­drika amin’ny andraikitra ho sahaniny ihany koa.
Hiasa any amin’ny sampandraharahan’ny Tahirim­bolam-panjakana manerana ny Nosy izy 26 mianadahy ireo.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: