Hotanterahina any Ambatondrazaka, manomboka rahampitso, ny komity foibe andiany faha-44 eo anivon’ny FFKM. Hamoaka ny fehinkevitra amin’ny famaranana izany ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy. Tafiditra ao anatin’izany ny fiainam-pirenena ankapobeny sy ny vahaolana avy amin’izy ireo momba izany. “Tsy mivaona amin’ny fanorenam-pirenena izany fehinkevitra izany”, hoy ny loharanom-baovao eo anivon’ny FFKM.
Anisan’ny soso-kevitra efa nentin’ireo mpikambana ao amin’ny komity mpanomana notanterahina ny volana aogositra teo, taorian’ny fotoam-pivavahana tetsy Amparibe ny hikarohana vahaolana ho amin’ny fanarenana ny firenena. Tsy voafaritra kosa anefa na ho anisan’ny fehinkevitra hivoaka amin’izany ny momba ilay fikaonandoham-pirenena, voizin’ny eo anivon’ny fanoherana tato anatin’ny volana maromaro. Na izany aza, nambaran’ny loharanom-baovao fa miankina amin’ireo filoham-piangonana avokoa izany rehetra izany.
Etsy andaniny, hodinihina ny lesoka eo amin’ny fomba fiasa anatiny ka tokony hatsaraina eo amin’ireo sampanasa rehetra eo anivon’ny FFKM. “Tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana laminasa, miainga amin’ireo eny ifotony”, hoy ihany ny loharanom-baovao.
Niantso ny hery velona hifanatona
Tsiahivina fa efa nivoy ny tokony hirosoana amin’ny fifampiresahana eo amin’ny hery velona eto amin’ny firenena ny FFKM, ny 17 jolay teo. « Aoka hifanatona ny mpitondra fanjakana sy ireo hery velona rehetra hifampidinika hijerena ifotony ny olana ary hiara-kientana hitady vahaolana maharitra », hoy izy ireo.
Teo koa ny fitsipahana marindrano ny fanambadian’ny mitovy fananahana sy ny tsy fanekena ny fanalan-jaza. Manampy izany ny tokony hitadiavana vahaolana manoloana ny fahalovana, indrindra fa ny kolikoly, ny tsy fandriampahalemana. Niantso ny kristianina handini-tena hanakatra ny sitrapon’Andriamanitra manoloana ny faharavan’ny fiadanana eto amin’ny firenena koa ny FFKM.
Synèse R.