Tratra ny tanjona! Notokanana tao Ampotaka ny alan-javaboahary voalohany eto Madagasikara. Handrakotra ala ho an’ny taranaka sy ho fanatsarana ny fitantanana ny tontolo iainana maharitra ny tetikasa “Parc Madagasikarantsika”.
Tsikitsiky sy hafaliana. Io no nisoritra teo amin’ny endrik’ireo mponina tao amin’ny fokontany Ampotaka, kaominina sy distrika Mandoto, faritra Vakinankaratra omaly, nandritra ny fitokanana tamin’ny fomba ofisialy ny alan-javaboahary “Madagasikarantsika” tany an-toerana. Tetikasa ho fanatsarana ny tontolo iainana amin’ny endriny maharitra no napetraka ao Mandoto. Velaran-javaboahary aorina sy arovana miaraka amin’ny mponina ao an-toerana. Nitarika ny lanonana ny filohan’ny Repoblika niaraka tamin’ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy, Vina Marie Orléa, sy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrazafy Lalatiana ary ny governoran’ny faritra Vakinankaratra, Rakotovao Vy Vato. Miendrika sarintanin’i Madagasikara ireo zanakazo 45 karazany novolena amina velaran-tany 120 Ha. Ao anatin’izany ny hazo zanatany 64 299 isa, ao koa ireo hazo haingam-paniry 109 804 fototra ary ny hazo fihinam-boa miisa 30 767.
Nitondra ny anjara birikiny amin’ny fanarenana ny sehatra tsy miankina “Tanjona ny hahazoana ala mikitroka ho an’ny zanaka sy ny taranaka”, hoy ny tale jeneralin’ny Imperial Brands, Rabarijohn Francis, nandritra ny lahateniny. Vina ny hametrahana alan-javaboahary efatra hafa eto amin’ny Nosy. Manodidina ny 400 000 fototra ireo hazo nampiasaina tamin’ny tetikasa. 204 870 tamin’ireo voavoly raha nomena maimaimpoana an’ireo fokontany manodidina kosa ny zanakazo ambiny, hamboleny sy hahazoany tombontsoa.
Vondron’olona ifotony
Maro ny vokatra mivaingana sy azo tsapain-tanana azo tamin’ny alalan’ity tetikasa ity. Namoron’asa ho an’ny mponina manodidina izy sady niteraka tombontsoa ho an’ny vondron’olona ifotony (VOI). Fianakaviana 332 sy olona aman’arivony no nametraka ny alan-javaboahary. Tombony ny fanatsarana ny fidiram-bolan’ny mponina noho ny tetikasa nanokana 60%-n’ny tetibolany ho an’ny mponina. Manohana ny fampandrosoana eny ifotony ihany koa ity tetikasa ity. Nametrahana fotodrafitrasa toy ny lalàna sy fanohanana ny ezaka ara-tontolo iainana. Eo ihany koa ny fampandrosoana ara-tsosialy amin’ny fandriampahalemana, ny fampianarana sy ny fahasalamana noho ny fisondrotan’ny fari-piainana.
“ Tombony amin’ny fampandrosoana ny toekarena ny tetikasa alan-javaboahary Madagasikarantsika”. Nandray anjara tamin’ity fambolen-kazo ity ny mponina eo an-toerana, niarahana tamin’ireo teknisiana matihanina amin’ny fambolena.”, hoy ny fanazavan’ny ben’ny Tanànan’i Mandoto, Ramanandraibe Avotra. Misy, hoy izy, ny fepetra noraisina hiarovana ny ala. Napetraka amina 22km ny aro afo, tsy azo hitondrana afo ihany koa ny toerana hisorohana ny loza mety hiseho. Ny VOI rahateo no tomponandraikitra voalohany hitantana ny alan-javaboahary. “Paikady hiarovana ny alan-javaboahary sy hanomezana asa ho an’ny mponina ary hiarovana ny tsindry mahazo ny ala ity tetikasa ity. Tsapa mivaingana sahady ny tombontsoany noho izy nitondra orana betsaka tamin’ity taona ity”, hoy ny fanazavan’ireo mponina ao an-toerana.
Tetikasa
“Tsy nampoizina ho vita ity tetikasa ity saingy tanteraka izany noho ny fikirizana ka nahazoana izao vokatra izao. Tetikasa “alan-javaboary” voalohany amin’ny fanamaitsoana ny tontolo iainana ny fokontany Ampotaka”, hoy ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy. Natomboka ny taona 2021 ny tetikasa ary tratra ny tanjona. Zava-dehibe ny nahazoana ity alan-javaboahary ity noho izy hisokatra ho an’ny rehetra sy azo hanaovana kilasy maitso.
Nanatontosa:
Henintsoa Hani ( Iraka manokana-Mandoto)