Tsy araka ny tena nantenaina! Anisan’ny tena niomana fatratra ny hamaroan’ny mpanjifa amin’izao fisian’ny Lalaon’ny Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indiana (JIOI) izao ireo mpivarotra asa tanana sy taozavatra malagasy, etsy amin’ny tsena Pochard Soarano.
Nilaza ny mpitondra tenin’ ny fikambanan’ny Art Malagasy miray (AMM), Mbintantsoa, fa efa ela niandrasana ity hetsika ity izy ireo, satria fantatra fa an’arivony ny vahiny avy any amin’ireo nosy rahavavy, ho avy eto Antananarivo, handray anjara amin’ity lalao iraisam-pirenena ity. Nentanina daholo ny mpivarotra asa tanana tao amin’ny tsena Pochard, hanatsara ny tranoheva fivarotana, ny entana hamidy sy ny fomba fandraisana ny mpanjifa.
Rehefa tonga tokoa ny fotoana, ankehitriny, tsy mbola tena araka ny nantenain’izy ireo ny hamaroan’ny vahiny mpividy. Nambaran’i Mbintantsoa ihany, fa « efa nandalo ny atleta avy any Seychelles, La Réunion, Mayotte, Kaomoro,… Vitsy ihany ireo nividy entana. Tsikaritra fa voafetra ny fahefa-mividin’ireo atleta satria mbola tanora izy ireo, fa tsy toy ny mpizahatany mahazatra ».
Nilaza i Luc, fa tena mahaliana azy ireo ny zavatra maivana, mora entina, toy ny poketra, ny zava-bita amin’ny rafia, satrana, toy ny kitapo, harona, sy ny toy izany.
Marobe sady miparitaka
Ho an’i Sylvie, entana tena amidiny ny vatosoa indostrialy sy ny zava-bita atao sokitra, « mbola vitsy ny mpividy eto amiko raha ho an’ireo vahiny mandray anjara amin’ny JIOI. Hitako zava-misy amin’izao fotoana izao, efa marobe sady miparitaka ireo mpivarotra taozavatra malagasy ». Nanamafy izany i Mbintantsoa sy
i Luc, fa « ahitana mivarotra koa mitety ireo hotely ipetrahan’ny atleta ».
Misasaka ny fotoana hisian’ny JIOI izao. Manantena i Mbintantsoa, fa tsy very ny fanantenana, ary maro ireo vahiny nilaza fa mbola hiverina amin’ny faran’ny herinandro izao. « Mbola misalasala izahay raha hivarotra na tsia amin’ny alahady », hoy i Sylvie.
Njaka Andriantefiarinesy