Fanjifana : mihaliana amin’ny taozavatra ny Malagasy

Fotoana maha maro ny mpizahatany ny fialantsasatra lehibe toy izao. Nambaran’i Mbintantsoa, mpitondra tenin’ny Fikambanan’ny Art Malagasy Miray (AMM) etsy amin’ny tsena Pochard, fa niavaka ny tamin’ity taona 2023 ity, taorian’ny krizy Covid ny taona 2020 hatramin’ny 2022 teo. Nisy fivoa­rana ny mpanjifa, satria manomboka liana amin’ny zava-bita malagasy isika. Tamin’ity taona 2023 ity, niha maro ny Mala­gasy monina any ivelany, mandalo eto amintsika, mividy ny taozavatra malagasy.
Tena maro tokoa ny Malagasy mpanjifa, indrindra ny volana aogositra teo. Mahaliana azy ireo ny karazan-javatra madinika sy maivana misy soratra « souvenir de Madagasikara ».
Anisan’izany ny takelaka misy kisary hosodoko, ny kitapo sandrify, ny « porte –clé », ny penina, ny rojo na fehin-tanana, ny boaty fitoerana firavaka, rary sy tenona vita amin’ny rafia, taretra, satrana, sy ny akora hafa.
Manentana ny eto an-toerana i Mbitantsoa, hanaraka an’ izay fanjifana ny taozavatra malagasy izay. « Maro ny kara­zany sy ny safidy, nefa koa amin’ny vidiny mirary », hoy ihany izy.

Njaka A.

Partager sur: