Hanomboka anio ny asan’ny vaomieran’ny vola ao amin’ny Antenimierampirenena, ary amin’ny 25 novambra 2022 ny fivoriambe momba ny tetibolam-panjakana 2023. Hanao ny fanadihadiana izany kosa ny fiarahamonim-pirenena.
Araka ny tatitry ny fanjakana, mikorontana izao tontolo izao noho ny zava-misy eto an-toerana sy maneran-tany. 4,2 % ny tahan’ny harinkarena ho an’ny taona 2022. Antony nampiakatra haingana ny fisondrotry ny vidim-piainana 8,4 % tamin’ny jolay ary 9,3% tamin’ny aogositra teo ny fisondrotry ny vidin-tsolika 40 %. Nampihena ny vola niditra amin’ny ankapobeny izany, indrindra nampihisitra ny toekarena.
Manoloana izany, nandray fanapahan-kevitra ny governemanta, nampisondrotra ny karaman’ny mpiasam-panjakana sy baiko ho an’ny sehatra tsy miankina ihany koa. Voalaza fa ireo fepetra ireo nametra ny fiantraikan’ny fisondrotry ny vidim-piainana amin’ny fahefa-mividy.
Nanararaotra ihany koa ny fanjakana malagasy amin’ny fitomboan’ny filàna any ivelany, indrindra ny harena an-kibon’ny tany (nikela, kobalta, grafita). Na izany aza, nihena 0,1 % ny tahan’ny harinkerana tamin’ity taona madiva hifarana ity.
Tanjona amin’ny 2023
Ho betsaka ny fampiasam-bola hanohanana ny toekarena, mahakasika ny seha-pamokarana sy sosialy. Anisan’izany ny fampidiran-drano any amin’ny fambolena, ka handrasana hiakatra 10 % ny voka-bary hampihena ny fanafaram-bary. Fanamboarana na fanarenana ireo fotodrafitrasa momba ny angovo, harena an-kibon’ny tany, fitaterana, tontolo iainana, fifandraisana. Mitaky fampiasam-bola avy amin’ny sehatra tsy miankina daholo ireo. Momba ny harena an-kibon’ny tany manokana, efa misy lalàna vaovao heverina fa hampatanjaka io sehatra io sy hisarika mpampiasa vola vaovao ho an’ny taona 2023.
Handray ny lalaon’ny Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina i Madagasikara amin’ny 2023, ka tokony hampiroborobo ny fizahantany koa izany, hanamafy sy hanohy ny fisokafan’ny sisin-tany noraisina tamin’ny 2022.
Tanjona amin’ny 2023 ny hisondrotan’ny harinkarena 4,9 %, hiatrehana ny fiakaran’ny vidim-piainana mbola haharitra, sy ny tinady eran-tany. Misy kosa anefa ny tinady sasany hihena noho ny ady any Ukraine.
15 % tokony ho an’ny sosialy
Zava-dehibe takian’ny fiarahamonim-pirenena ny tokony hifafantohan’ny tettibola betsaka amin’ny kere any Atsimo. Tokony hiady hisian’ny tetikady mazava amin’izany ireo depiote avy any Atsimo sy ny faritra voa mafy. Ireo sampana miady amin’ny kolikoly tokony hiasa hanatsarana ny fitantanana, satria izay tsy fahaizan’ny mpanatanteraka izay no mampahantra ny firenena. 15 % amin’ny tetibola ny fenitra tokony ho an’ny sosialy, hoy ny fiarahamonim-pirenena.
Ndrina