Fiompiana trondro : harindra amin’ny haitao ara-kajy mirindra

Hiara-hiasa ny fanjakana malagasy sy ny governemanta Indoniezianina amin’ny fampiroboroboana ny fiompiana anaty rano. Misy ny tetikasa “WaterHub” sy ny “Jala” nifaovan’ny fanjakana roa tonta sonia, tetsy Ivandry, nandritra ny fivoriana faha-8n’ireo tomponandraikitra ambony mi­vondrona ao anatin’ny AIS FORUM, omaly. Fitaovana fi­tsinjarana rano fisotro madio eny amin’ny toerana natokana ho an’ny daholobe ny “Water­Hub”. Fitaovana avo lenta hanaraha-maso ireo toetoetra amin’ny fiompiana anaty rano kosa ny “JALA”. Hanamafy ny fiaraha-miasan’ny roa tonta izao fifanaovan-tsonia izao fa indrindra ny fifandraisan’i Madagasikara amin’ireo firenena mivondrona ao anatin’ny AIS FORUM.

Mifanakalo hevitra
Hanomana ny fihaonam-ben’ireo mpitondra mivondrona ao anatin’ny AIS FORUM, izay hatao ao Bali-Indonezia, amin’ny volana oktobra ho avy izao, ity natao ity. Hifanakalo hevitra ny rehetra amin’ny vahaolan’ny fiovaovan’ny toetr’ andro maneran-tany. Hojerena koa ny hitantanana maharitra ireo harena voajanahary an-dranomasina. Ao anatin’izany ny fanamafisana ny ady amin’ny jono tsy ara-dalàna sy tsy voafehin-dalàna, ny fiarovana an-dranomasina. Hisy, araka izany, ny fifanakalozan-kevitra ara-tsiansa momban’ireo lohahevitra rehetra voatanisa. Tsiahivina fa miisa 55 ireo vondrona nosy sy nosy maneran-tany mandray anjara amin’ ity fivoriana ity.

Henintsoa Hani

Partager sur: