Lafo noho ny eto an-toerana : tafakatra 2 900 Ar ny kilaon’ny vary « stock »

Mipaka any amin’ny vidim-bary ny krizy iraisam-pirenena. Tafakatra 2 900 Ar ny ki­laon’ny vary afarana avy any ivelany (riz de luxe stock) eny amin’ny mpaninjara, nanomboka ny volana aogositra teo. Manodidina ny 2 400 Ar anefa ny vidiny, araka ny anton­tanisa navoakan’ny masoivoho mpanara-maso ny vary (ODR), ny volana mey 2023 teo.
Nilaza Rasoarivelo Sitra­ka, mpaninjara eny Anjana­hary, fa tsy vitany intsony ny mivarotra vary « stock » satria tena midangana loatra. Vi­diana 140 000 Ar ny gony 50 kilao, izany hoe, 2 800 Ar ny vidiny amboangadiny, ka tsy maintsy mihoatra ny 3 000 Ar ny hivarotana ny kilaon’ny atsinjarany, na koa 900 Ar ny kapoaka.
Tsy afaka mivarotra an’izany anefa izy, satria mbola maro ny vary vokatra eto an-toerana, latsak’io vidiny 3 000 Ar io. Anisan’izany ny vary ny tsipala, 2 700 Ar ny kilao, ny vary fotsy, 2 600 Ar ny kilao.
Manodidina ny 2.800 Ar hatramin’ny 3 100 Ar kosa ny kilaon’ny makalioka sy ny vary gasy mena. « Hanahirana ny vidim-bary amin’ny maitsoahitra, manomboka ny novambra hatramin’ny febroary ho avy io, tombanako hihoatra ny 4 000 Ar ny kilao », hoy ihany i Sitraka.

Njaka A.

Partager sur: