Fampandrosoana : natsangana ny drafitra ho an’ny 2024-2028

Mitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny rafitry ny firenena mikambana eto Madagasi­kara. Manamafy izany ny drafitra vaovao momban’ny fampandrosoana lovainjafy na ny « UNSDCF 2024-2028 » izay natao sonia, tetsy amin’ny Carlton, omaly. Nisolo tena ny fanjakana malagasy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo sy ny solontenan’ny Firenena mikambana, Issa Sanogo. Mbola ambany ny taham-pahatraran’i Madagasikara ny tanjon’ny fampandrosoana maharitra (objectifs de développement durable). Natao ity fifanaovan-tsonia ity hanehoan’ny roa tonta ny fahavononana hanomboka ny drafitra vaovao. Nojerena manokana ny antontan-taratasin’ireo Firerena mpikambana toa ny PAM, ny PNUD, ny FNUAP, ary ny FAO izay mifandraika amin’ity drafitra vaovao ity. Tanjona fototra amin’ity drafitra ity ny fijerena ny rehetra tsy ankanavaka, ny fahazoana fiovana maharitra eo amin’ny fiainan’ny olona sy ireo marefo, ny fanamafisana ny fahaiza-miatrika.

Henintsoa H.

Partager sur: