Vakoka sy kolontsaina: haikanto malagasy nahavita nitety vanim-potoana ny hiragasy

Fampisehoana hatrehin’ny vahoaka, mitovitovy amin’ny teatra atao an-kira, ahitana anatra sy torohevitra ary fampihavanana, ny hiragasy. Ankoatra izay, fitambaran’ny feon-javamaneno sy hira ary dihy mampiavaka ny faritra afovoantany eto Madagasikara, indrindra ny Merina, izy. Nanodidina ny taonjato faha-19  tany. Mpihiran’Andriana no nipoiran’ny hiragasy, teto afovoantany, tamin’ny andron’Andrianampoinimerina. Ny fihaonana sy fifandonan’ny riba malagasy sy vahiny, tamin’izany andro izany, no tena lasitra namolavola ny hiragasy ho zavakanto hafakely. Nanana ny naha izy azy ny hiragasy tamin’izany, ary tena nahavarina ny vahiny tokoa ity karazana haikanto malagasy ity. Ny taona 1937, nalefan’ny fanjakana frantsay nanao fampisehoana tany Paris ny tarika Razafimahefa Be Tsinjaka, avy eny Fenoarivo. Mbola manana ny toerana, ary nihanahazo toerana aza ity haikanto ity ankehitriny.

Teraka tao anatin’ny tontolom-piarahamonina faha mpanjaka Merina ny hiragasy. Ho fampirisihana sy fampialana voly ireo olona an’arivony, niasa tamin’ny fanaovana fefiloha, dia nandefasan’ny mpanjaka mpikabary sy mpihira ary mpandihy tena mahay teny amin’ny toerana fiasan’ireo olona ireo. Kevoka ary tena nampidera ny fahaizanyihany koa ireo iraky ny mpanjaka hampiala voly. Nandeha ny fotoana, ary tonga tamin’ny vanim-potoana nifandonan’ny riba aman-kolontsaina malagasy sy vahiny. Ny fitambaran’ireo rehetra ireo no nanome ny lasitra ka namolavolana ny hiragasy.

Miisa 8 ny dingana sy zavatra atao mandritra ny seho an-tsehatra ataon’ny mpanao hiragasy. Voalohany, sasinteny ataon’ny lehilahy fotsiny miaraka amin’ny aponga sy ny lokanga ary tehaka. Mitohy amin’ny kabary vaky sehatra izany avy eo, ahitana ny fialantsiny, fiarahabana, vavaka, ary fisaorana. Raha efa izany, miditra an-tsehatra amin’izay ny andriambavilanitra. Ny reninkira, ahitana torohevitra sy fananarana ary fampihavanana, no atao rehefa tafiditra an-tsehatra ny vehivavy. Rehefa vita izany, mitohy amin’ny dihy gasy ny seho ary mifarana amin’ny zanakira. Ara-tantara, tanàna roa no nipoiran’ny mpihiragasy tamin’ny andron’ny fanjanahantany. Rakotonanahary ny avy any Ambohimamory ary Rainizanamanga no avy eny Fenoarivo.

Mikasika ny ankajon’ny mpihiragasy. Ny an’ny lehilahy dia misy hevitra efa nivoaka nalaina avy amin’ny mpitari-tafika Anglisy nanodidina ny taona 1800. Misy ihany koa ny milaza fa efa nitafy lamba ny Ntaolo tamin’ny faha mpanjaka ary ny loko jaky mena nidorehitra io no lokon’ny Andriamanjaka, izay nakana ny lokon’ankanjon’ny mpihiragasy.

 

Hiragasy: miverina mahazo laka ankehitriny

Tafiditra ao anatin’ny tetikadim-panjakana ny fampiroboroboana ny kolontsaina sy ny maha izy an’i Madagasikara. Anisan’izany ny nahazoana ny kianjan’ny hiragasy afaka ampiasaina sy hanehoana izany haikanto anisan’ny vakoka malagasy izany. Tanjona ny hampahafantra, indrindra ho an’ny tanora, sy hampiroborobo ny hiragasy. Tsikaritra mantsy fa ny any ambanivohitra sisa no mahalala sy mahafantatra izany hiragasy izany.

Ara-tantara, tao amin’ny tanin-dRamala, andrefan’Antohomadinika, no ambohipihaonan’ny mpanao hiragasy, tamin’ny andron’ny filoham-pirenena Philbert Tsiranana, vanim-potoana tena nampiroborobo sy nampahazo vahana ity kolontsaina ity. Niaka-dapa matetika, ary tena nahazo laka tokoa ny hiragasy tamin’ny fitondrany. Miverina amin’ny heriny kosa izy ankehitriny. Misy ny adin-kiragasy atao isaky ny Alahady tolakandro, eny amin’ny kianjan’ny Hiragasy. Maro ny mponina eto Antananarivo no liana amin’ny hiragasy, indrindra ny tanora. Nanambara izy ireo fa tsy araka ny niheverana azy ny hiragasy fa tena mahafinaritra ny mihaino sy mahita azy.

Ahitana hiragasy avokoa ny lanonana ara-pomba malagasy tamin’izany andro izany, indrindra ny teto Imerina. Tsy ny teto ihany anefa fa anisan’ny manao azy ity ihany koa ny Betsileo avaratra.

Partager sur: