Manan-karena hetsika isan-karazany ny faritra Diana raha tsy hitanisa fotsiny afa-tsy ny festival « Donia », « Sômarôho » izay samy mampalaza an’i Nosy-Be. Ao koa ny festival « Sôrogno » mampiavaka an’Ambanja, ny hetsika « Mananjeba » ao Ambilobe ary ny hetsika « Vagnono » ao Anivorana- Antsiranana II. Notontosana tao Antsiranana, ny sabotsy teo, ny festival “Samontabe”, andiany faharoa. Nisy ny fifaninanana mitondra lakana nandraisan’ireo mpanjono anjara. Tanjon’ny hetsika ny hanamafisana ny fifanerasen’ny mpisehatra an-dranomasina ao an-toerana. Tratra ny tanjona, fotoana nahafahana nanentana ireo mpanjono hiditra amin’ny fikambanana sy hanara-dalàna. Noentanina ihany koa ny ankizy hiaro ny tontolo an-dranomasina noho izy ireo tompon’ny hoavy.
Fanamiana
Tsy nisy niala maina fa samy notolorana “kits de sécurité en mer” misy salotra vonjy aina sy sifle ary kojakoja maro samihafa ireo mpifaninana rehetra. Fanamiana azo tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny komity mpikarakara ny festival « Samontabe » sy ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga. Miisa 15 ireo lakana nandray anjara izay samy nisy olona roa avy.
Henintsoa H.