Nisokatra ny 22 aogositra teo ny trano fisakafoana vaovao « Mon Tana », ao anatin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato. Mitantana azy ny orinasa TAV Opération Service, tamin’ny alalan’ny antso tolobidy iraisam-pirenena. Tanteraka izany, vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny orinasa Ravinala Airports, mitantana ny seranan’Ivato.Nilaza ny filoha tale jeneraly (PDG) ny TAV Operation Service, Güçlü Batkin, fa « faly tokoa izahay hanome tolotra ara-tsakafo vaovao sady miavaka ho an’ny mpanjifa aty Madagasikara. Izay firenena manana ny maha-izy azy satria raisin’ny mpandeha fiaramanidina ho toy ny kontinanta fahavalo eto an-tany».
Fitsangantsanganana ara-tsakafo
Ho an’ny tale jeneraly (DG) ny Ravinala Airports, Julien Coffiner, kosa: « fotoana miavaka hanatsarana ny tolotra omenay ny mpanjifa ny fisian’ny toera-pisakafoana Mon Tana. Toerana ahafahan’izy ireo mitsangantsangana ara-tsakafo, sady hahatsiarovana an’i Madagasikara. Toerana hankafizana ny tsiron-tsakafo malagasy sy ny avy any ivelany ». Sampana ao anatin’ny orinasa TAV Airports Holding sy ny vondron’orinasa Aéroport De Paris (ADP) ny TAV Operation Service. Manana toeram-pisakafoana 86 miparitaka any amin’ny firenena 19.
Njaka A.