China-Madagasikara : tsy handoa haba ny 98% ny vokatra malagasy

Mihamafy orina ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy i China. Tombony ho an’ny mpandraharaha mpanondram-bokatra toy ny lavanila izany. Tsy handoa haban-tseranana hatramin’ny 98% ireo vokatra malagasy haondrana any China. Nisy ny fifanaovan-tsonia nataon’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Yvette Sylla, sy ny masoivohon’ity firenena ity, Guo Xiomei, tetsy amin’ny minisiteran’ny Rahara­ham-bahiny, Anosy, ny alatsinainy teo. Misokatra amin’ny tsena aty Afrika sy ny fiaraha-miasa isan-karazany i China. Mitady akora fototra toy ny vokatra avy amin’ny fambolena, ny harena an-kibon’ny tany hatramin’ny fampiasana ny angovo ny firenena Sinoa. Tombony ho an’ny firenena roa tonta izao fiaraha-miasa izao. Misitraka tombontsoa maro avy amin’ny firenena sinoa ny Malagasy amin’ny fananganana fotodrafitrasa maro isan-karazany, ny fanampiana ny sehatry ny fampianarana ary ny fampiroboroboana ny fambolena.

Henintsoa H.

Partager sur: