Hampivondrona ireo mpiantsehatra samihafa ao anatin’ny tontolon’ny famokarana amina toerana iray ny hetsika “Foire internationale de l’agriculture”. Omena lanja manokana ny tantsaha ahafahany mampiroborobo ny vokatra ataony sy ny fiaraha-miasany amin’ny sehatra tsy miankina.
Ambohipihaonan’ny fampandrosoana ny asa famokarana ny hetsika “Foire internationale de l’agriculture” (FIA) andiany fahadimy. Hanome vahana ny tantsaha mpamokatra ny hetsika noho izy hisandrahaka amin’ny seha-pihariana maro, toy ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono. Hiavaka amina teboka 10 ny FIA, ao anatin’izay fametrahana ny birao tokam-pandraharahana ara-pambolena (guichet unique agricole) izay. Ahitana tolotra samihafa avy amin’ireo sehatra tsy miankina sy ny indostria entina hanampiana ny tantsaha ity toerana ity. Ho hita ao anatin’izay ny mahakasika ny famatsiam-bola sy ny fanodinam-bokatra. Eo ihany koa ny fametrahana ny rafitra nomerika ahitana ny antontam-baovao rehetra mikasika ny rohim-pamokarana amin’ny fambolena sy ny fiompiana.
Samy hampiranty ny fahaiza-manaony sy ny vokatra mampiavaka azy avy ny faritra tsirairay manerana ny Nosy. Fa indrindra hanome lanja ny famokaran’ny tantsaha sy hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny toekaren’i Madagasikara.
Tombontsoa
Goavana ny hetsika FIA, hampifandray sehatra maro izy no mbola hanome lanja ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fihariana ambanivohitra koa. Mandritra izay, haneho ny fahaiza-manaony ihany koa ireo mpianatra injeniera avy eny amin’ny oniversiten’i Vontovorona. Hisy ny toerana manokana hampirantiana ireo vokatra mampalaza sy mampiavaka an’i Madagasikara toa ny kakao sy ny maro hafa. Hampiranty sakafo avy amin’ireo faritra maro manerana ny Nosy ireo mpandray anjara. Malalaka ny toerana noho izy hidadasika hatramina velarana 405m2. Tsiahivina fa hatao ny 21 ka hatramin’ny 24 septambra izao ny FIA, eny amin’ny Hazovato Forello. Ho avy hanatrika izany koa ireo solontenan’ny firenena vahiny.
Henintsoa Hani