Ambatovy : manohana ny tanora mpandraharaha

Anisan’ny manome tohana sy manampy ny tanora malagasy mpandraharaha ny orinasa Ambatovy. Misy ny fandaharanasa ataony entina hanampiana ny mpandraharaha ka nisy tamin’izy ireo no nandray anjara tamin’ny hetsika « FIER Mada 2023” farany teo. «Niroborobo tokoa ny orinasako hatramin’izay nisitrahako ny fandaharanasa fa­nampiana orinasa nomen’ Amba­tovy sy La Fabrique ahy izay », hoy Rindranalanirina Vonintsoa, tompon’ny orinasa madinika iray misehatra eo amin’ny fanjairana akanjo, MAGUYA, ao Moramanga. Voafantina hisitraka ny fandaharanasa fampiroboroboana orinasa izay vatsin’Ambatovy vola sy iarahany miasa amin’ny ONG La Fabrique izy. Taorian’izay, nandray anjara tamin’ny tsenabe iraisam-pirenena “FIER Mada” farany teo ny tenany.
Traikefa goavana hahafahany mampiroborobo ny seha-pihariana ataony ny fampiofanana azony sy ny fandraisana anjara tamin’ny tsenaben’ny tantsaha farany teo.
Misondrotra
Mpitrandraka vokatra vita avy amin’ny voanio, anisan’ireo orinasa madinika vao misondrotra ao Toamasina ihany koa ny VOVICO. Nisitraka ny fandaharanasa avy amin’ny orinasa Ambatovy izy ka na­hafaha­ny nampiakatra ny vo­katra atao­ny, « Tany am-boalohany, tamin’ny taona 2020, dia bonbon coco ihany aloha no namidiko. Anke­hitriny kosa, afaka mampitombo karazana ireo vokatra amidiko aho sady ma­natsara ny kalitaony, rehefa nahazo tohana avy amin’Amba­­to­vy sy La Fabri­que”, hoy i Kalo Brizette, tompon’ny orinasa. Anisan’ny tanora mpandraharaha nandray anjara tamin’ny hetsika “FIER-Mada” ihany koa ity tovovavy ity.

Henintsoa H.

Partager sur: