Hiara-hiasa ny BNI Madagascar sy ny tahirim-bola tsy miankina malagasy natokana ho an’ny fikolokoloana ny zava-mananaina eto Madagasikara (FAPBM) amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny ala ao amin’ny faritra arovana ao Maromizaha, faritra Alaotra Mangoro, toerana izay tantanin’ny Vondron’asa sy fikarohana momba ny varika (GERP Madagascar). Nifanao sonia momba ny taratasy fifanarahana famatsiam-bola ho an’ny tetikasa ny roa tonta, afakomaly. Hifantoka amin’ny fikarakarana ny faritra simba amina velaran-tany mahatratra 62ha ny tetikasa. Hambolena zanakazo 45 000 ahitana karazan-kazo zanatany io faritra io. Manana anjara asa fototra amin’ny fitantanana ny famatsiam-bola sy ny fanaraha-maso ny vokatra ny FAPBM amin’ny maha rafi-pamatsiam-bola maharitra ny faritra arovana azy eto Madagasikara.
Andraikitra
Manampy amin’ny famatsiam-bola maharitra ny tambajotran’ny faritra arovana eto Madagasikara amin’ny fikolokoloana ny zava-mananaina, ny fanajariana ny tolotry ny rohivoahary, amin’ny fiahiana ny mponina, ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fampivoarana ny fitantanana ny FAPBM. Miteraka zanabola maharitra isan-taona ny FAPBM, natokana indrindra ho an’ny hetsika fiarovana sy fampandrosoana ny fiarahamonina any amin’ny faritra arovana. Anisan’ny mpamatsy ny renivolany ny fanjakana malagasy, ny Conservation International, ny WWF, ny banky iraisam-pirenena, ny fanjakana frantsay (amin’ny alalan’ny AFD sy ny tahirim-bola frantsay ho an’ny tontolo iainana), ny fanjakana Alemana (amin’ny alalan’ny kfW).
Henintsoa H.