Harena an-dranomasin’i Madagasikara: mitentina hatrany amin’ny 300 tapitrisa dolara.

Anisan’ny miantoka ny fampandrosoana ny firenena ny fahaiza-mitantana sy mandrindra ny harena an-dranomasina, mamaly ny filan’ny mponina mipetraka amorontsiraka. Toekarena manga miantoka ny fandrosoana maharitra ny velaran-dranomasina midadasika.

Tombony ho an’ny firenena malagasy ny fananany velaran-dranomasina midadasika. Harena azo trandrahina ho an’ny fampandrosoana ny toekaren’i Madagasikara izany. Tombanana ho 300 tapitrisa dolara ny sandan’ny harena an-dranomasin’ny Nosy malagasy, araka ny tatitra navoakan’ny WWF Madagascar. Dingana ahafahan’i Madagasikara miroso amin’ny fampandrosoana maharitra ny fandrindrana ny tontolo iainana an-dranomasina sy ny toekarena manga. Nifamotoana sy nifampidinika momban’ny fandrindrana sy ny fitantanana ny ranomasimbe sy ny toekarena manga ireo mpiantsehatra rehetra voakasika amin’izany, ny 23-25 aogositra teo. Maro ny lohahevitra nodinihina. Voaresaka nandritra izay ireo fitsipika sy ny fomba tsy maintsy arahina amin’ny fandrindrana sy ny fitantanana ny toekarena manga. Nodinihina ihany koa ny fandrindrana ny harena an-dranomasina mamaly ny filan’ny mponina mipetraka amorontsiraka sy ny zava-boahary.

Tanjona ny fampandraisana anjaran’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fandrindrana maharitra ny fari-dranomasina sy fametraha ny drafitry ny fitantana mamaly ny filan’ny mponina any an-toerana.

Midadasika.

Manodidina ny 1 140 000km2 ny velaran-dranomasin’i Madagasikara. Manana renirano hatrany amin’ny 9 000km isika ary farihy manodidina ny 150 000ha. Tombony ho an’ny Malagasy ny fananana izany ho an’ny fisandratana ara-toekaren’ny firenena.

Marihina fa maro ny mponina mivelona amin’ny fihariana an-dranomasina. Mamelona tokantrano maro izy ary anisan’ny fototry ny fampandrosoana ny toekarena manga.

 

Henintsoa Hani

Partager sur: