Fananan-tany sy trano: manodidina ny 1 400 000 ny mpandoa hetra manerana ny Nosy

Mbola ambany ny taham-pahavitrihan’ny fandoavan-ketra amin’ny fananan-tany sy trano eto Madagasikara. Loharanom-bola ho an’ny kaominina ny vola azo avy amin’ny hetra entina handraofana ny fako sy hananganana fotodrafitrasa eny amin’ny fokontany samihafa.

Ny taona 2022, manodidina ny 1 475 000 ny isan’ny mpandoa hetra manerana ny Nosy. Tamberin’andraikitra ataon’ny kaominina ho an’ny fiarahamonina ny vola azo avy amin’ny hetra. Entina manadio sy hakana ny fako eny anivon’ny fokontany samihafa izany. “Paikady hanatsarana ny fandoavan-ketra ny famantarana ireo tokony handoa izany”, hoy ny tale jeneralin’ny foibe fitantanana ny hetra, Germain, nandritra ny hetsika anjara hetrako, tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely, omaly. Mila fantarina ireo olona mandoa hetran-tany sy hetran-trano. Ahafahana manatsara ny fitantanana ny atontan-taratasiny rehetra izany. Anisan’ny taratasy ilaina ho fanamarihana ny maha ara-dalàna ny fandoavan-ketra izay ny taratasy nandoavana ny hetran-trano sy ny hetran-tany (quittance). Marihina fa ao anatin’ny fanehoana ny tamberin’andraikitra ataon’ny fanjakana azo avy amin’ny hetra ny fanamboarana fotodrafitrasa samihafa. Ny taona 2019, miisa 375 000 ireo olona voamarina fa mpandoa hetra, niakatra manodidina ny 1 475 000 izany.

Hampakarina

Malaina mandoa hetra ny olona. Tanjona ny hampakarana ny tahan’ny fandoavan-ketra ho 2 000 000 amin’ity taona ity. Misy jerena ny paikady ho fanatsarana izany ary miainga any an-tsekoly ny famolavolana ny maha olona. Mila ampahafantarina ny tsirairay ny adidy amin’ny fandoavan-ketra. Marihina fa adidin’ny olona rehetra manana fidiram-bola ny fandoavan-ketra. Maro ny tombontsoa azo avy amin’ny fahazoana ny karatry ny mpandoa hetra toy ny fisitrahana tolotra eny amin’ny banky, ny fahafahana manao tsenam-baro-panjakana  sy ny maro hafa. Natolotra omaly ny vokatry ny fanadihadiana momban’ny fandoavan-ketra eny amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana.

Henintsoa Hani

Partager sur: