Tafiditra ao anatin’ny fanavaozana ataon’ny fadintseranana malagasy ny fampiasana ny nomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra amin’ny fikirakirana antontan-taratasy rehetra. Atao hanafainganana ny asa sy hisorohana ny hosoka ary hampiroborobo ny fidiram-bolam-panjakana izany. Singa iray ao anatin’izay ny tsy fampiasana taratasy amin’ny filazana mombamomba ny fiara nafarana avy any ivelany (certificat modèle n°1). Hivadika elektronika avokoa ireo antontan-taratasy rehetra hanafainganana ny famoahana ny laharan’ny fiara sady hisorohana ny hosoka mety hiseho. “Vaovao na efa niasa avokoa ny ankamaroan’ny fiara hafarantsika. Teo aloha, misy ny taratasy fenoina amin’ny tanana na amin’ny masinina. Atao sonia sy misy tomboka manamarina fa avy ao amin’ny fadintseranana ilay olona nikarakara izany”, hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny fadintseranana malagasy, Lainkana Zafivanona Ernest, omaly. Ho vita ao anatin’ny iray andro ihany koa ny fahazoana ny laharan’ny fiara any amin’ny tomponandraikitra misahana izany.
Hihatra manomboka ny volana oktobra izao ny tetikasa. Ho hita amin’ny alalan’ny fanamarinana amin’ny alalan’ny QR code ny mombamomba ilay fiara.
Fantatra fa arakaraky ny tomban’ny fiarakodia ny haban-tseranana alaina. 5% ny haban-tseranana alaina amin’ireo fiarabe toy ny kamiao, raha 10% kosa ho an’ireo fiara tsy mataho-dalana, ary 20% ho an’ny fiara tsotra.
Henintsoa H.