Samy nieren-doza ny tarika Wawa sy Black Nadia, omaly. Andaniny, sendra olana teny afovoan-dranomasina iry voalohany; ankilany, nisy jiolahy nanakana ny fiara nitondra ity faharoa. Na izany aza, avotra soa aman-tsara ny rehetra.
Omaly tolakandro, nandefa filazana tamin’ny “facebook” i Wawa: “Mangataka vavaka avy aminareo havana sy namana jiaby fa olona enina aminay tarika Wawa mbola tsy hita popoka hatramin’izao, teo anelanelan’i Maroantsetra sy i Mananara”. Taitra avokoa izay nahita ny vaovao. Taorian’ny fanamarinana sy ny fikarohana fanampim-baovao no nahafantarana fa niala tao Maroantsetra omaly maraina, nandeha tamina vedety lehibe ireo mpikambana 19 isa ao amin’ny tarika Wawa. Tafiditry ny rano ny sambo ka nisy olana, teo amin’ny ranomasina Rantabe Angnandrovola, anelanelan’i Maroantsetra sy Mananara. Naka fanapahan-kevitra ny hilomano niaraka tamin’ny “gilet de sauvetage” ny enin-dahy tamin’ireo mpandeha.
Ny 15 ambiny kosa niandry ny mpanavotra, izay efa tratra antso. Tonga ara-potoana ilay sambo mpitondra mpizahatany Anziatic Spirit nanavotra azy ireo teny ampovoan-drano, araka ny fampitam-baovaon’ny zandarimaria. Ireto farany, izay nanamafy fa tsy noho ny vesatra akory satria mahazaka olona 63 ilay sambo, fa noho ny andro nivadika ho ratsy tampoka. Rehefa nohadihadina dia nahazo fahazoan-dalana tamin’ny APMF hiandriaka ity vedety ity.
Mbola i Wawa ihany no nampita ny vaovao tsara ny hariva: “avotra soa aman-tsara izy enin-dahy fa isaorana Zanahary sy isika rehetra”. Efa samy tafaverina ao Maroantsetra avokoa izy ireo, omaly.
Saika nisy nanafika ry Black Nadia
Nanambara ihany koa i Black Nadia, omaly, fa nisy andian-jiolahy maromaro nanakana ny fiara nitondra azy ireo. Teo anelanelan’i Manerinerina sy Ankazobe no nitranga izany. “Soa fa nisy Karàna telo lahy nandalo avy eny ampita, ka nanapoaka basy nampitsoaka ireo jiolahy”, hoy hatrany ny filazan’i Black Nadia. Anatin’ny fitetezam-paritra handeha hanao fampisehoana ihany koa izy tamin’io, ary sambany mba niaraka nandeha tamin’ny zanany lahy no nisehoan’ity tranga ity.
Soa fa samy nieren-doza ireto tarika roa ireto. Tsy nisy ny voina ka samy nisaotra an’Andriamanitra na ry zareo na ny mpankafy, izay naneho ny fiaraha-mientana amin’ireto mpanakanto ireto.
Zo ny Aina