Mandrara ny fampiasana jiro tsy ara-dalàna amin’ny fiarakodia sy amin’ny fiara kodiaran-droa na telo misy maotera na tsia ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro. Misy ny naoty nivoaka mandrara ny fampiasana jiro mahajambena sy rendrarendra amin’ny fiarakodia manerana ny Nosy mba hisorohana ny lozam-pifamoivoizana. Misy, hoy izy, ny jiro voalaza ao amin’ny didim-panjakana laharana faha-1177, tamin’ny 26 marsa 1971, mikasika ny fanazavana sy ny famantarana ny fiarakodia. Mavo ho an’ny jiro an-dalana sy ho an’ny fifanenana. Mavo na fotsy ho an’ny jiro famantaran-toerana eo aloha. Mena ho an’ny famantaran-toerana ao aoriana. Mavo ho an’ny famantaran-toerana fijanonana eo aloha. Mena ho an’ny famantaran-toerana fijanonana ao aoriana. Fotsy na mavo na mivolomboasary ho an’ny jiro famantarana ny habehin’ny fiara eo aloha. Mena na mivolomboasary ho an’ny jiro famantarana ny habehin’ny fiara ao aoriana. Mena ho an’ny jiro famantaram-pijanonana, mavo ho an’ny fampiasa amin’ny zavona ary mivolomboasary ho an’ny jiro fanondroana fiovan-dalana. Voasazy sy hampiharana sazy enjana ireo minia mandika ireo voalaza ireo.
Henintsoa H.




