« Foire internationale de l’agriculture »: hanome sehatra ny tanora amin’ny fanodinam-bokatra 

Hampifandray ny tanora sy ny orinasa mpanodim-bokatra ary ireo mpiantsehatra ao anatin’ny tontolon’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono ny « Foire internationale de l’agriculture ». Miandrandra fifanaraham-piaraha-miasa ireo mpandray anjara rehetra.

Hetsika anisan’ny andrasan’ny maro ny « Foire internationale de l’agriculture » (FIA), noho izy manokatra varavarana samihafa fa indrindra ny fampananan’asa ny tanora. Mampifandray ny tanora avy any ambanivohitra sy ireo orinasa misehatra amin’ny famokarana sy fanodinam-bokatra ny hetsika FIA.

Tetikasan’ny sampandraharaha iraisam-pirenena momban’ny asa (OIT) ny « ProAgro Youth », vatsian’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena ho an’ny fampandrosoana ny fambolena (Fida) ary tanterahin’ny fikambanana tanora misehatra amin’ny fampandrosoana (observatoire de la jeunesse, OJ). Mandray anjara amin’ny FIA mandritra ny efatr’andro ity fikambanana ity. « Tanjona ny hampifandray azy ireo amin’ireo orinasa mpanodim-bokatra mba hampanan’asa ny tanora eto amin’ny faritra Analamanga sy Vakinankaratra », hoy ny fanazavan-dRasolofoarison Dimbiniaina, mpikambana ao amin’ny OJ. Tanora efa voafantina miisa 140 ireo handray anjara ny hetsika raha 49 hafa kosa efa tafiditra eo amin’ny sehatry ny asa. Sehatra iray mbola malalaka ho an’ny fampananan’asa ny fanodinam-bokatra, antony hampirisihina ny tanora hiantsehatra amin’izany, hoy hatrany ny fanazavana voaray. Anton’izao fifanantonan’ny roa tonta izao

Manampy

Tombony ho an’ireo mpiantsehatra ao anatin’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono ity hetsika ara-barotra ity noho izy manampy amin’ny fanatsarana ireo seha-pihariana ireo. « Hisy ny fizarana fahaiza-manao samihafa hahazoan’ireo orinasa sy mpisehatra rehetra torolalana amin’ny fihariana ataony », hoy Ramanantsoa Harilala, mpikarakara ny hetsika. Notohizany fa misy ny ivontoerana telo nametrahana ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono ka samy hahazo izay tandrify azy ny mpitsidika rehetra.

Maherin’ny 400 ny tranoheva ho hita mandritra ny tsenabe ara-barotra atao eny amin’ny Parc des expos, Forello Tanjombato, ny 21 ka hatramin’ny 24 septambra izao.

Henintsoa Hani

Partager sur: