Tanjon’ny tetikasa “Taratra”, tanterahin’ny Eglizy Katolika ny hisitrahan’ny Malagasy ny tombontsoa amin’ny harena voajanahary. Maro ny efa nataony tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany.
Novolavolaina ny taona 2009 ny tetikasa “Taratra”, tanterahin’ny Eglizy Katolika. Manana otrikarena ambanin’ny tany goavana ny faritra Atsimo Andrefana toy ny fasimainty, ny « zircon », ny vatosoa sarobidy, sns.
Mikarakara loabary an-dasy isaky ny telo volana ny tetikasa “Taratra”, toy ny natao ny herinandro lasa teo, tao amin’ny efitrano malalaky ny orinasa Base Toliara. Tanjona ny hitondran’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany any Atsimo Andrefana fampandrosoana ara-toekarena sy hanatsara ny fari-piainan’ny mponina any an-toerana.
Nandray anjara tao daholo ny solontenam-panjakana, ny mpitandro filaminana, ny vondron’olona ifotony, ny mpitarika fivavahana, ny fiarahamonina sivily.
Hetra sy tamberim-bidy
Noresahana manokana ny lafiny hetra, toy ny Hetra Tambatra (Impôts synthétiques) 5%, izay tokony ho anjaran’ny Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ny 95%, ny Hetra alaina amin’ny vola miditra, ny TVA na koa ny IRSA.
Aman-jatony tapitrisa Ariary ny hetra efa naloan’ny orinasa Base Toliara any amin’ny fanjakana, ao amin’ny sampandraharaham-paritry ny Hetra any an-toerana. Misy koa ny hetra naloa mikasika ny tany novidian’ny orinasa tamin’ny olon-tsotra na fanjakana.
Mpanelanelana ny tetikasa “Taratra”
Anisan’ny nandray anjara fitenenana nandritra ity loabary an-dasy ity ny mompera Jacques. Notsoriny fa manaraka akaiky ny fivoaran’ny raharaha Base Toliara ny tenany. Nisy ny fotoana tsy nitovian-kevitra sy fijery teo amin’ny samy mponina tany Ranobe. « Mirotsaka manelanelana an’izany ny tetikasa. Tsy tokony hifandrafy ny samy Malagasy », hoy ny Mompera Jacques.
Njaka Andriantefiarinesy