Canal + Madagasikara : tolotra vaovao ho an’ny mpanjifa

Manome tolotra vaovao ny orinasa misehatra amin’ny fandaharana televiziona Canal+ Madagasikara amin’izao fotoana favitan’ny fialantsasatra izao. Nilaza ny tale jeneraly, Rtoa Razafindrakoto Onjatiana, fa hisy ny tolotra maromaro, manomboka anio 11 septambra, karazana televiziona sy sokajim-pandaharana sahaza ny tsirairay, ho an’ny fianakaviana, ny ankizy, ny tanora, sns. Eo koa ny tantara mitohy vahiny,Telenovelas sy ny Malagasy, Novegasy, ahitana horonantsary vaovao. Ho an’ny fanatanjahantena, anisan’ny zava-baovao amin’ny baolina kitra hita ao amin’ny Canal + Sport, ny fiverenan’ny Saudi Pro league, ahitana ny fanadihadiana ireo kintan’ny baolina kitra samihafa sy ny fifaninanana UEFA Champion’s League. Eo koa ny fifaninanana alemà Bundesliga, ny frantsay, ny italiana, ny anglisy, sns. Manampy ireo ny fifaninanana fiarakodia, sy ny taranja hafa.
Tsiahivina fa afaka mahita ny televizona sy ny fandaharana rehetra an’ny Canal+ ny mpanjifa, mandritra ny herinandro, ho an’ireo manao famandrihana mialoha, antsoina hoe « herinandro bôjo ».

Njaka A.

Partager sur: