Notokanana ny 6 septambra teo ny siniben-drano sy ny paompy miisa enina ho an’ny fokontany Ankidondona II Ambatolampy, toerana ahitana ny ozinina lehibe indrindra an’ny orinasa Star. Nitarika ny fotoana ny tale jeneralin’ny Star, Marc Pozmentier, notronin’ny manam-pahefana maro any an-toerana.
Nambaran’ny ben’ny Tanàna Ambatolampy fa 30 taona tsy nanana paompy ny fokontany Ankidondona. Voavaha ny olana satria manana rano fisotro madio ny mponina sady eo akaikin’ny trano fonenan’izy ireo, amin’ny alalan’ireo fotodrafitrasa ireo. Namboarina araka ny fenitra ilaina ireo paompy ireo, mba tsy ho mora simba sy maharitra.
Nanamafy ny filohan’ny fokontany, Rasoakakarimanana Eliane, fa « tsy hiahiahy intsony ny mponina satria manana rano fisotro madio na dia amin’ny haintany aza, fotoana mamparitra ireo loharano fantsakàna, izay any amin’ny 1km miala ny fokontany ».
Nilaza ny tomponandraikitry ny serasera ara-drafitra sy ny RSE ao amin’ny Star, Ravelorarison Fanou, fa miezaka hatrany ny orinasa mitondra ny anjara birikiny amin’ny maha tomponandraikitra azy eo amin’ny fiarahamonina, amin’ny alalan’ny asa sosialy ataony. Maro ny fanohanana efa natao tany Ambatolampy, ary mbola hitohy izany.
Njaka A.