Niroso tamin’ny fanagiazana ny kamiao, fananan’ny mpandraharaha iray any Antsinanangavo, Soanierana Ivongo ny vadintany, ny 8 aogositra teo. Antony, tsy notanterahiny ny didim-pitsarana mandidy azy handoa onitra mitotaly 76 tapitrisa Ar ho an’ny olona, tompona haino aman-jery tsy miankina iray any an-toerana. Toy izao ny fitsinjaran’io vola io. Onitra amin’ny fampitaovana ny radio ny 45 tapitrisa Ar, ary onitra ho an’ny mpitory ny 31 tapitrisa Ar.
Raha hiverenana ny tranga, nodomin’ny kamiaon’ity mpandraharaha ity ny andry (antenne) an’ny radio tsy miankina RNA any Soanierana Ivongo, ny 16 avrily 2023 teo. Niezaka nifampiraharaha taminy ny tompon’ilay radio, saingy tsy nisy vokany. Nitory tany amin’ny fitsarana Fenoarivo Atsinanana ity farany, ary nivoaka ny didy ny handoavany ny onitra. Tsy nety nandoa izy, ka nilazany fa aleo ny tranom-piantohana no hanefa azy.
Maro ireo niezaka nanelanelana tamin’ity raharaha ity, toy ny tangalamena, ny olobe, ny fikambanan’ny mpanao gazety Toamasina (AJT), saingy tsy nahomby.
Hatao lavanty ampahibemaso, ny 28 septambra ho avy izao, ilay kamiao. Miverina aminy ny fananany anefa raha voaloany mialoha ny 20 septambra ny onitra.
Sajo