Nizara hanam-pamokarana, masomboly voly avotra sy zezika hiatrehana ny taom-pambolena manaraka ao
amin’ny faritra Alaotra Mangoro ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, ny sabotsy teo. Manodidina ny 3 000 ireo tantsaha nisitraka izany. Betsaka ny voka-bary simba taorian’ny filatsahan’ny havandra ny faran’ny volana jona teo. Lasibatra tamin’izay ny tao amin’ny kaominina Andilanatoby sy tao Ilafy, distrikan’Ambatondrazaka. Tanjona ny hanarenana ny fiharian’ireo tantsaha niharam-boina, ka hampiroboroboina indray ny famokarana ataony. Anisan’ny dingana hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo rahateo ny fampiroboroboana ny fambolena. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa PURPA izao fanohanana ny tantsaha amin’ny fanomezana hanam-pamokarana izao. Mpamokatra miisa 126 200 miparitaka manerana ny faritra 20 no kendrena hahazo izao tohana izao.
Marihina fa anisan’ny miantoka ny fampandrosoan’ ny toekarena eto Madagasikara ny fampiroboroboana ny famokarana. Mpamboly rahateo ny 80%-n’ny Malagasy, antony ilàna ny fanohanana azy ireo. Ankoatra izay, manamora ny famoahana ny vokatra kosa ny fahavitan’ny RN-44. Maro ny tombontsoa azo amin’izany, toy ny fahitana lalam-bokatra amin’ny fifandraisana amin’ireo mpandraharaha ara-barotra hafa.
Henintsoa H.