Hanomboka tsy ho ela ny tena asa goavana fanadiovana ny lakandrano C3. Miainga eny Anosibe , mipaka hatrany Ambodimita, mirefy 12 km. Ao anatin’ny tetikasa “Produir” ity asa ity, vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena ara-bola, tanterahin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany (MATSF), entina hanatsarana ny fari-piainan’ny mponina marefo eny amin’ny faritra iva. Anisan’izany ny fanadiovana ny lakandrano C3, izay mahatratra 115 000 t ny fotaka hoesorina, sady harenina ny morony.
Hiova ny endrik’Antananarivo
Ny fanajariana sy ny fanatsarana ny manamorona ny reniranon’Ikopa sy Sisaony, ny fananganana trano fonenana vaovao eny Andavamamba sy fotodrafitrasa toy ny toeram-pivoahana sy fidiovana, fanasan-damba, paompin-drano, fanangonana sy fanariam-pako. Eo koa ny fanamboarana ny lalankely, fanarenana tetezana, sns. Hanomboka amin’ny febroary 2024 ny asa fanadiovana goavana, raha efa nisy asa vita sasany, toy ny fanamafisana ny manamorona ny reniranon’Ikopa sy ny hafa.
Nentanina nampiomanina ny mponina teny Anosibe, ny herinandro lasa teo. Nilaza ny minisitry ny Fanajariana ny tany, Ramaholimasy Holder, fa «hanatsara ny fiainan’ny vahoakan’Antananarivo ny asa hatao ary tsy maintsy miova ny tanàna». Ho an’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Andriantsitohaina Naina, «tsy vita indray andro ny tetikasa, fa lavitr’ezaka. Mila mitohy ny asa sy ny ezaka».
Nomarihin’ny mpandrindra ny tetikasa “Produir”, Rasolofojaona Haja, fa «miara-misalahy ny rehetra manatanteraka ny asa. Hiova ny endriky ny faritra iva amin’ny herintaona toy izao».
Njaka A.