Hotanterahina eto Toamasina, ny 28, 29 ary ny 30 septambra ho avy izao, ny tsenabe “Toam Ketrika”. Foara ara-toekarena sy ara-barotra andiany fahefatra, atao etsy amin’ny Araben’ny Fahaleovantena, karakarain’ny orinasa La Fabrique sy ny fikambanana ONG St-Gabriel. Manohana ny hetsika ny orinasa Ambatovy, ny Spat, ny faritra Atsinanana ary ny kaominina Toamasina I. Nilaza ny governoran’ny faritra Atsinanana, Rafidison Richard Théodore, fa fomba iray ahafahan’ny orinasa lehibe sy salantsalany ary madinika mampiseho sy mampahafantatra ny vokatra sy ny tolotra ao aminy ny foara lehibe tahak’izao. Afaka mifanakalo hevitra mivantana amin’ny orinasa vaventy ny vao misondrotra mba hifanakalozana traikefa.
Miisa 250 ny tranoheva mandray anjara, ahitana ny seha-pihariana isan-tsokajiny. Anisan’izany ny vokatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono. Eo koa ny vokatra mampiavaka ny faritra Atsinanana, toy ny taozavatra, indrindra ny rary sy ny tenona. Manampy ireo ny orinasa isan-tsokajiny, amin’ ny indostria, ny varotra, ny fizahantany, sns.
Azo lazaina fa anisan’ny tsenabe goavana indrindra eto Toamasina ity andiany fahefatra ity.
Sajo