“Mada business Linkage.mg” : mampivoatra ny sehatry ny toekarena eto Madagasikara

Nampahafantarina sy na­tomboka omaly, tetsy Anko­rondrano, ny tambajotra “Mada business Linkage.mg”. Na­to­kana ho an’ireo orinasa mpandraharaha manara-dalàna rehetra manerana an’i Mada­gasikara. Tanjona ny hampahafantarana ireo orinasa bebe kokoa sy ahafahan’izy ireo mifandray, miara-miasa ary mahita lalam-barotra. “Vitsy ireo orinasa mifankafantatra eto amin’ny Nosy ka antony nananganana ny tambajotra”, hoy ny chargé de promotion pour objet “Mada business Linkage”, Randriamihajasoa Eddie. “Misy olona na orinasa tsy mieritreritra ny hanao lahasa hafa mihitsy noho ny tsy fahafantarany karazan’orinasa hafa hiarahany miasa”, hoy izy. Anisan’ny mampitombo ny sehatra hiasana, ny seha-pihariana, ny fanomezana asa ny olona ary ny sehatry ny toekarena amin’ny ankapo­beny eto Madagasikara izany. “Rehefa mampahafantatra ny zavatra ataony, ny toerana misy azy, ny zavatra vokariny ny orinasa iray dia mora kokoa ho an’ny orinasa hafa ny mahafantatra ny orinasa tiany hatonona sy hiarahana miasa”, hoy Rakotovao Sandrine, chargée de programme eo anivon’ny “Business Linkage Program”. Tafiditra ao anatin’ ny fandaharanasa, karakarain’ny tetikasa “SME Business Linkage”. Vatsian’ny Banky Afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) vola 1,4 mil­lions USD izy ity. Ankoatra izay, hofanina miompana amin’ny fanamafisana traikefa sy ny lalam-barotra ary ny fama­tsiam-bola ireo orinasa madinika sy salantsalany 300 ma­hery.

Mino

Partager sur: