Manao ranolava ny fihaonan’ireo kandidà 10 amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Noraisin’ny solontena maharitry ny Pnud eto amintsika izy ireo, afakomaly, teny Andraharo. Nitohy tamin’ny dinika tamin’ny ambasadaoron’ny Vondrona eoropeanina (UE), izany, omaly. Tsy nisy nipika hatrany ny dinika.
“Misy hatrany ny politika. Niainana an’izany avokoa teto amin’ny firenena: savorovoro rehefa misy fifidianana”, hoy ny SENVH, Randriamanohisoa Gérard, teny Mahamasina, omaly. Na izany aza, mila fitoniana sy filaminan-tsaina ahazoany miasa isan’andro ny vahoaka.
Tsy raikitra ny fihaonan’ny HCC amin’ireo kandidà ho filohan’ny Repoblika tokony ho natao omaly ka hiresahana ny lalàm-pifidianana sy ny dingana arahina amin’ny fitoriana momba ny fifidianana. Eto an-toerana ihany koa ny filohan’ny HCC, fa tsy araka ny feo mandeha hoe lasa any ivelany.
Miomana amin’ny fandraisana andraikitra ireo depiote, manoloana ny raharaham-pirenena. Anisan’ ny tompon-kevitra amin’izany ry “Del kely” ao amin’ny “Miara-manonja” niantso sy nanentana ireo depiote namany mba hifandinika hamerenana ny fanjakana tan-dalàna.