Mihena ny famatsian-drano amin’ny faritra maromaro eto Antananarivo satria simba ny ampahany amin’ny milina eny Mandroseza. Misy ny vahaolana vonjy maika raisin’ny Jirama, mandra-pahasolo ny milina izay tsy maintsy hafarana any ivelany.
Misy fahasimbana ny paompy eny amin’ny toby famokarana rano eny Mandroseza. Araka ny fanomezam-baovao avy amin’ ny Jirama, izay no mahatonga ny fikorontanana sy ny tsy fahampian’ny tosiky ny rano any amin’ny faritra sasany eto an-drenivohitra. Voakasik’ izany ny eny Ankadifotsy, Anjanahary, Soavimbahoaka, Analamahitsy, Ambohitrarahaba, Ambatobe, Ivandry, Ankadikely, Ambohimailala, Manjakaray, Amboditsiry, sns.
Misy ny vahaolana vonjy maika noraisin’ny Jirama, iarahana amin’ny minisiteran’ny Rano, fidiovana sy fanadiovana. Hametrahana paompy fiandry eny amin’ny toby Mandroseza hitsinjovana ny mpanjifa, izay ho vita ao anatin’ny 10 andro. Mandritra izany, eo andalam-panafarana any ivelany ny solon’ilay paompy simba.
Ankoatra izany, mampahafantatra ny tomponandraikitry ny Jirama sy ny minisitera mpiahy, ny ao amin’ny Angovo sy ny harena stratejika (MEH), fa mihena ny haavon’ny rano any amin’ireo renirano sy ny tohodrano miantoka ny famokarana herinaratra sy ny famatsian-drano satria ao anatin’ny vanim-potoana maintany izao.
Miantraika any amin’ny jiro sy ny rano
Miasa andro aman’alina ny mpiasan’ny Jirama manarina ny fitaovana simba, na soloina noho ny fahanterana. Antony, asa sady tolotra ho an’ny vahoaka ny sehatry ny famatsian-jiro sy ny rano. Manampy ireo, mitohy ny fametrahana fitaovana vaovao, toy ny jiro manazava ny arabe, ao anatin’ny tetikasa « Hazavao ny elakelan-trano ». Eo koa ny fanitarana ny tambajotra amin’ny alalan’ny fametrahana andrinjiro vita amin’ny « béton ». Efa misy koa ny fametrahana tobin-drano mamatsy rano isam –paritra, toy ny eny Ampitatafika, Anosizato, Ankadindratompo, sns.
Njaka Andriantefiarinesy