Taratry ny kanto

Raha te hirotsaka amin’ny tontolon’ny mozika any ivelany. « Tsara raha mandalina sy mianatra azy io mihitsy », hoy i Niu Raza, nandritra ny fandalovany teto Madagasikara. Tsara ny manana talenta, fa miampy kokoa ny fisokafan’ny lalana raha mandalina, raha ny fanazavany hatrany.

« Ça Claque ». Tanterahina anio tolak’andro, eny amin’ny AFT Andavamamba, ny hetsika “Ça cla­que”; seho Slam Poèsie, karakarain’ny Madagaslam, miaraka amin’ireo mpiangaly Slam eto Antananarivo. Afaka mianoka izany ny rehetra, indrindra ao anatin’izao andro vitsy mialohan’ny fifaninanana nasionaly izao.

Lehilah Joby. Hiaka-tsehatra eny amin’ny La Cabane Andavamamba, ny Lehilah Joby, ao anatin’ny fampisehoana “Rasta tsy ambany”. Hahazo laka mandritra ity seho ity ireo hira gadona reggae. Ankoatra ny fampisehoana iarahana amin’ireto tarika ireto. Afaka mandray anjara ihany koa ny rehetra amin’ny fanafanana ny sehatra.

Mada in love. Hanakoako eny Alasora eny indray ny “rimorimo” sy ny “Savolaina”, anio tolak’andro manomboka amin’ny telo ora ny seho, ao anatin’ny fampisehoana iarahana amin’i Silo. Seho miavaka no ampanantenain’ny Mada in Love, mpikarakara ny hetsika ary efa vonona ihany koa ny mpandray anjara.

Partager sur: