SOMBIM-BAOVAO

Nihintsana teo amin’ny manasa-dalana Andrian­tefihasina Mirija, Malagasy mpilalao tenisy, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy lehilahy, U14. Marihina fa lavon’i Ghali Salaheddine, marôkanina tamin’ny seta 2 no ho 0 ( 6/1, 7/5) izy, tamin’io fotoana io.

Hanomboka anio, any Zimbabwe, ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny lalao Olympika 2024, izay hatao any Paris, ny taona 2024 ho avy izao. Ny ekipam-pirenena Tonizianina sy ny Makis de Madagascar no hifanandrina amin’io fotoana io. Aorian’io, hihaona amin’i Côte d’Ivoire sy i Afrika Atsimo isika.

Hotanterahina anio ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany taranja Rugby, taona 2023. Anisan’ireo hifanandrina amin’izany i Irlande sy i Tonga, Océanie. Marihina fa ity lalaon’ny roa tonta ity, fi­fanintsanana isam-bondrona ho an’ny “B”. Ankoatra izay, nandresy an’i Uruguay, tamin’ny isa 12 no ho 27 i France.

Hotontosaina manomboka ny talata ho avy izao ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Li­gue des Champions”. Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny maro, ny fihaonan’ny AC Milan, klioba Italianina sy ny Newcastle United, klioba Anglisy, ao amin’ny kianjan’ny San Siro, Italie.

Partager sur: