Voarafitra ny volavolan-dalàna hifehy ny angovo azo avaozina miompana amin’ny akora biolojika. Hodinihina eny anivon’ny antenimiera roa tonta izany mandritra ny fivoriana ara-potoana hatao tsy ho ela.
Miompana amina teboka maromaro ny volavolan-dalàna mifehy ny angovo avy amin’ny akora biolojika (bioénergie) taorian’ny atrikasa sy fakan-kevitra natao tetsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina, nandritra ny telo andro. Voalaza ao anatin’izay ny fanovana fehin-kevitra samihafa. Teo ihany koa ny resaka lalàna ankapobeny mifehy sy hampiharina amin’ny sehatra isan-karazany ao anatin’ny tontolon’ny angovo avy amin’ny akora biolojika. Ny fampitoviana zo ny mpisehatra rehetra ao anatin’ny lalàna ary ny fiarovana sy ny fanamorana ny fampiasam-bola ho an’ireo mpiara-miombon’antoka maniry hampiasa ny volany. Voafaritra tao anatin’ireo ny anjara asa mazavan’ny tsirairay anatin’ny sehatry ny angovo avy amin’ny akora biolojika. Tafiditra ao anatin’izay ny minisitera, rafitra mpandrindra ny sehatry ny angovo avy amin’ny akora biolojika, OMH, BNM, ONE, sns. Atao izao mba tsy hisy fifampifangaroana andraikitra. Tratra ny tanjona nandritra ny atrikasa natao nanomboka ny talata teo. Hatolotra ny governemanta sy ho lanian’ireo Antenimiera roa tonta mandritra ny fivoriana ara-potoana hataon’izy ireo tsy ho ela ity volavolan-dalàna ity.
Fiarovana
Tafiditra ao anatin’ny politika fampiroboroboana ny tontolo maitso sy ny angovo azo avaozina ho fiarovana ny tontolo iainana, sy ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro ny fampiasana ny angovo avy amin’ny akora biolojika. Vahaolana haingana sady maharitra ny famokarana izany biolojika izany. Marihina fa mahatratra hatramin’ny 40 000ha ny ala may eto Madagasikara. Tanjona, araka izany, ny fampiasana angovo maitso sy angovo azo avaozina.
Nanokatra ny atrikasa mahakasika izany ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Andriamanampisoa Solo, ny mpiara-miombon’antoka toy ny WWF sy ONUDI, ireo mpahay lalàna avy amin’ny minisitera samihafa ary ireo mpisehatra voakasik’ity resaka ity.
Henintsoa Hani