Miverina tsikelikely ny famatsian-drano: Vita ilay milina simba eny Mandroseza

Mampahafantatra ny besinimaro ny Jirama fa tontosa omaly alatsinainy, ny fanamboarana ny milina « électropompe » laharana faha-7, nam­pikorontana ny famatsian-drano tamin’ny toerana maro teto an-drenivohitra.
Efa miverina tsikelikely ny famatsiana, saingy mila mandray fepetra ny mpanjifa. Alefa mandritra ny fotoana fohy ny paompin-drano sy ny « robinet », mandrapaha-madio azy, satria mety mbola miloko mavo ny rano.
Tsiahivina fa nanomboka tamin’ny zoma 15 septambra teo no simba ilay milina eny Mandroseza. Sahirana ny mpanjifa, voatery nitady rano, ary nahatratra 500 Ar hatra­min’ny 1 000 Ar ny nividianana ny iray zerikana 20 litatra.

Njaka A.

Ireo faritra tratry ny tsy fahampian-drano : Mandrosoa, Ambohijatovo, Faravohitra, Ambatonakanga, Ambohitso­rohitra, Antaninarenina, Ambatovinaky, Ambohidahy, Ampa­ribe, Tsimialonjafy, Manjakaray, Amboditsiry, Tsiadana, Andohamandry, Fort-Voyron, Mahamasina, Befelatanana, Ankatso, Ambolokandrina, Ambohipo, Ampandrana, Anka­divato, Mahabo, Ambohijanaka, Imerimanjaka, Ankaraobato, Ankadilalampotsy, Tongarivo, Ankadiefajoro, Morarano, Mahalavolona, Fort Duchesne, Ampandrianomby, Ampano­tokona, Andraisoro, Antsahameva.

Partager sur: